Mois : septembre 2024

FANTINA sy FINTINA

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny famindrana sorabolan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantam-boka ary ny minisiteran’ny Fampianarana ambony amin’ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny Village de la Francophonie. Hetsika eo anilan’ny fihaonana an-tampony faha-19 ny Frankofonia, any Paris, amin’ny 2-6 okobra izy ity. Nolanian’ny filankevitry […]

Fiatrehana fifidianana : mbola afaka mitaraina izay tsy anaty lisitra

Mbola misy ny azo atao hisitrahana ny zo hahazoana miatrika ny fifidianana kaominaly amin’ny 11 desambra… “Misy ny olom-pirenena, na mpifidy tsotra na te hirotsa-kofidina amin’ny fifidianana, manontany: nahoana no nisy fotoana niditra tao anatin’ny lisi-pifidianana nefa tsy mbola tafidtira amin’izany hatramin’izao?”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny […]

Resy tsy miady

  Anatin’ny fametrapetrahana ny rafitra isan’ambaratongany ny eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny, ankehitriny. Manomboka ny fanendrena olona amin’ny toerana samihafa. Midika izany fa efa miainga tsikelikely ny fampihodinana ny raharaham-pirenena anatiny. Efa mihazakazaka be rahateo ny momba ny fifandraisana any ivelany. Efa azo tsapain-tanana ny ezaka amin’ny lafiny diplaomasia sy ny […]

Fivoriambe Africa 50 : firenena afrikanina 28 nahazo famatsiam-bola

Notanterahana teto Madagasikara ny fivoriam-be iraisam-pirenena Africa 50. Fantatra fa firenena 28 nahazo famatsiam-bola. Misitraka izany ny tetikasa volobe. Tontosa omaly, teny amin’ny ivon-toerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na CCI Ivato, ny Africa 50. Fivoriamben’ireo firenena mikambana ao anatin’ny vondrona. Manatrika izany ko any mpiara-miombon’antoka maro eo amin’ny sehatry ny fananganana […]

TSELATRA

Naratra mafy ny tanan’ny lehilahy iray nivoaka teny ivelan’ny fiara taksiborosy iray tao Ambatofotsy. Tsy fantatra izay nahazo azy fa navoakany ivelan’ny fiara ny tanany kanjo nifanehatra tamin’ny fiara ka potika tanteraka. Voatery nentina namonjy hopitaly izy. Tsy nisy noraisina ny tanany.