Hosokafana ny 22 oktobra izao ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Nomena lohahevitra tsirairay ny andro mandritra io hetsika fanao isan-taona io. Talata Manomboka, Alarobia Miverina, alakamisy Manavàtsa, zoma Misampana, ary sabotsy manan-tantara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana koa ny fampirantiana, fanehoana ireo boky vaovao, serasera mivantana amin’ireo mpanoratra ankehitriny. Manitatra ny […]
Mois : octobre 2024
« Eto ry Lala » : Seho hanasongadina ny hiran’i Therack
Fampisehoana tsy fahita firy! «Comédie musicale» izy io. «Ny hiran’i Therack no tena hibahana ao anatin’ny fandaharam-potoana. Nahoana moa no natao comédie musicale ? Satria ny hirany mihitsy no mirafitra ho théâtre. Nanoratra pièces théâtrales rahateo izy», hoy Ratsifa. «Eto ry Lala», seho hotanterahina ao amin’ny Havoria auditorium Anosy, ny […]
Tantara sy kolontsaina : 60 taona ny Cité akany Sambatra Itaosy
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny lanonam-pankalazana ny faha-60 taona nisian’ny cité akany Sambatra Itaosy. Fotoam-pivavahana sy fandraisam-pitenenana ary fitokanana tsangam-bato no nanamarihana izany. Nitohy tamin’ny hetsika maro samihafa, toy ny karazam-pampirantiana momba ny tantaran’ny toerana. Nisy ny fanentanana sy hetsika ara-kolontsaina sy fampisehoana avy eo. Nanafana ny […]
Lalatiana tetsy Mahamasina : nahasarika mpankafy maro ny fampisehoana
Nahasarika mpankafy maro ny seho natolotr’i Lalatiana sy ireo mpitendriny, omaly. Nankafizin’ny maro ny seho tony dia tony sy milanto. Tontosa omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina, ny seho nataon’i Lalatiana. Fampisehoana tokana nataony eto an-tanindrazana taorian’ny fotoana ela tsy nahatazanana azy. Tonga maro nanatrika ireo mpankafy satria […]
Tsy fahasalaman’ny saina : mety hiafara amin’ny famonoan-tena raha tsy voatsabo
Anisany mahatonga ny tsy fahasalaman’ ny saina ny herisetra ara-tsaina, ny tsindry amin’ny asa sahanina ary ny adin-tsaina mahazo ny olona iray. Manjaka ny tranga antsoina hoe: “burn-out”, izay mety hahatonga fahaketrahana ara-tsaina sy famonoan-tena. Mbola vitsy ireo olona mahafantatra ny tsy fahasalaman’ny saina sy ny manodidina azy, raha eto […]




