Rotiky ny balan’ny zandary ny mpampianatra iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanapahan-dohana mpampivelona tao Nosilava Farafangana, ny alakamisy teo. Nentiny ny lohan’ity renim-pianakaviana ity raha najanony ny vatany… Lavon’ny balan’ny zandary tao Nosilava Ambohimandroso, distrikan’i Farafangana, ny alakamisy teo, ny mpampianatra mpanampy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana. […]
Mois : octobre 2024
EPP Ankadinandriana: nisitraka fanampiana avy amin’ ny Groupe Andriantsitohaina
Nanatanteraka asa sosialy teo anivon’ny Sekoly ambaratonga fototra (EPP), tetsy Ankadinandriana ny Groupe Andriantsitohaina Media (GAM), omaly maraina. Nahitana fitaovam-panoratana, kahie 500 isa ny tolotra. Nisitraka ny tolotra ireo mpianatra 309, indrindra ny kilasy T4 sy T5 eo anivon’ity sekoly ity. “Hetsika nanehoana ny fahavononan’ny vondrona GAM hanampiana ny sehatry […]
Madagascar 3M: maro ny fiangonana lasa mivaona amin’ny fitorian-teny
Hanatanteraka hetsika iraisam-pirenena amin’ny toriteny maneho ny hevitry ny Baiboly ny Madagascar 3M ny 6 ka hatramin’ny 9 novambra izao, eny By-Pass. Fotoana hampahatsiahivana ireo mpitondra fivavahana sy mpiantsehatra amin’ny fitorian-teny mba hiainga amin’izay voalazan’ny Baiboly ary hanasinkasinana ny tenin’Andriamanitra. Lohahevitra voizina ny “Fiangonana Salama ka ao anatin’izany no hanoritsoritana […]
Rano tsy madio: Mirongatra ny aretin-kibo
Anisan’ny aretina mpahazo ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao, tato anatin’ity volana oktobra ity, ny aretin-kibo antsoina hoe: « gastro-entérite », raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray etsy Analakely nanontaniana. Aretina mahazo ny tsinay sy ny vavony ary azo avy amin’ny fisian’ny viriosy sy katsentsitra izy io, amin’ny ankapobeny. Antony mahatonga izany […]
Anosibe-firaisana faha-IV: maniry hiofana amin’ny karazana asa marolafy ny tanora
Taorian’ny teny Isotry, nahazo ny anjara koa ireo mponin’Anosibe fizarana ny hetahetany amin’ny fiofanana tiany hatao. Marolafy ny fiofanana amin’ny sehatrasa fivelomana irin’izy ireo hotanterahina. Nitohy teny Anosibe indray ny andiany faharoa amin’ny hetsika “Fijery hafa” notanterahin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, izay tarihin’ ny minisitra Rasoloarisoa marie […]




