Mois : octobre 2024

Nendran-drajako : nahitana tranga iray tao Maorisy

Nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamana maorisianina, omaly, fa nahitana tranga voalohany “Mpox” any amin’ny Nosy Maorisy. Teratany Nizeriana 49 taona no fantatra fa voan’izany, raha ny vaovao navoakany hatrany. Nampidirina hopitaly avy hatrany any amin’ny hopitaly Port-Louis izy. “Tsy misy ahina ny toe-pahasalamany”, hoy hatrany ny fanambaran’ny mini­sitra. Nohamafisina avy hatrany ny […]

Tsy nisy lela sy voamaso: lehilahy hita faty tao an-tranony

Hita faty tsy nisy lela sy voamaso ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny trano fonenany, tao Ambodiampanga, fokontany Antanetibe, kaominina Ambohidrapeto, afakomaly maraina. Nipetra-drery io lehilahy io. Niaraka nisakafo tamin’ny olona mpifanerasera aminy izy ny alin’ny sabotsy, araka ny loharanom-baovao. Tsy nivoaka ny trano intsony izy ity ka nampa­nahy ireo manodidina. […]

Harena voajanahary : hamafisina ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana

Hamafisina ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana harena an-kibon’ny tany ho an’i Madagasikara. Nisitraka fampiofanana manokana ireo mpisehatra amin’izany. Natolotry ny Bianco ho an’ ireo mpampiofana mpikaroka fandikan-dalàna ao amin’ny isan-tsokajiny ny takelaka fanamarihana fahafahana mampiofana ny votoatim-pampianarana momba ny ady amin’ny kolikoly, tetsy Anosy, ny zoma 25 oktobra […]

INDRAY MIJERY

Ankizy latsaky ny 15 taona miisa 300 no nisitraka fitsaboana maso maimaimpoana, omaly, tetsy amin’ny HJRA, sampandraharaha mitsabo ny maso. Fiaraha-miasa amin’ny tetikasa fitsaboana ny mason’ny ankizy sy fanofanana no nahafahana nanao izany. Hanofana mahakasika ny serasera sy ny fifandraisana ny fitaleavan’ny Serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, anio sy rahampitso. […]