Mois : octobre 2024

« SIH 2024 »: Fahombiazana tanteraka ny hetsika

Tratra ny tanjona ho an’ny Forello Expos nandritra ny « Salon international de l’habitat » andiany faha-26, ny 24 ka hatramin’ny 27 oktobra lasa teo, teny Tanjombato. Nomena sehatra manokana ireo fanamby eo amin’ny tontolon’ny fanorenana trano. Manodidina ny 15 000 isa ihany koa ireo mpitsidika nandritra ny efatr’andro nanaovana ny hetsika. Nahatratra […]

VAOVAO TAMBATRA

Tokony hampitomboina in-27,3 ny fidiram-bola eto amintsika vao mahatratra ny fari-piainana iraisam-pirenena voatondro ho 25 isan’olona, isan’andro, i Madagasikara. Misongadina ny tsy fitoviana lalina eo amin’ny firenena. Amin’ny ankapobeny, tokony hampotomboina indimy dia tratra io fetra voalaza io. Mitentina 2 734,8 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny fadintseranana nandritra ny […]

Taom-piotazana letisia: mila miomana mialoha ny mpisehatra

« Afaka mandray anareo ireo biraom-panjakana mpikirakira ny antotan-taratasy ilaina amin’ny fanondranana letisia », hoy ny talem-paritra misahana ny fotodrafitrasa sy fampiroboroboana ny eny ambanivohitra, Laurent Jean Maurice, ny zoma teo, teny amin’ny birao fiasany. Hatao izao mba hisorohana ny fahatarana sy ny filaharam-be eo amin’ny « guichet unique ». Nambarany fa hisokatra aorian’ny […]

Fampiroboroboana ny toekarena: Miara-miasa ny CCIFM sy ny Carrefour des entrepreneurs

Hampiroborobo ny toekarena sy ny fandraharahana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fiaraha-miasan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCIFM) sy ny Carrefour des entrepreneurs. Hitondra tombontsoa betsaka eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny fiaraha-miasa. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny toekarem-pirenena sy ny fifanakalozana koa izany satria samy aty amin’ny ranomasimbe Indianina avokoa […]