Mois : octobre 2024

Etazonia : manohana ny fizarana lay misy odimoka

Hiaro olona amin’ny aretina tazomoka maherin’ny 28 tapitrisa ny vinan’ny filoha amerikana. Nanomboka ny 26 oktobra lasa teo ny ady atao amin’ny tazomoka, vatsian’ny governemanta amerikana vo­la. Tohanana, mandritra izany, ny fizarana lay misy odimoka 2,9 tapitrisa isa ho an’ny eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ny fizarana lay misy […]

Tsy fanjarian-tsakafo : miara-miasa i Etazonia sy i Madagasikara

Nidinika mahakasika ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fahaiza-miatrika izany eto Madagasikara ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo sy ny masoivohon’i Etazonia, Claire Pierangelo, omaly. Ny fomba fambolena manaja tontolo iainana no anisan’ny fahombiazana anatin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ankoatra ny tohana vonjy aina sy ny fanampiana ara-tsakafo, miara-misalahy amin’i […]

Aretin-koditra lagaly : mila mitsabo tena ny iray trano

Areti-mifindra sy miitatra saingy azo tsaboina ny lagaly. Tsy maintsy miara-mitsabo tena ny mpianakavy raha vao misy marary. Nitondra fanazavana ma­hakasika ny aretina la­galy ny dokotera Raha­rimanana Zo, ao amin’ny CHUSSPA. Areti-mifindra ny lagaly. Vokatry ny fifampikasohana akaiky tamina olona efa misy lagaly no ifindrany. Olona miara-matory, miara-mipetraka, na nampiasa […]

EPP Fitroafana Talatamaty: nisitraka dabilio vita amin’ny fako plastika voahodina

Ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana ary ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana, na­nolotra dabilio vita amin’ny fako plastika voahodina ho an’ny EPP Fitroafana Tala­tamaty, ny sabotsy teo, ny orinasa E-Toile, mpiara- miasa amin’ny vondrona Belge alsico sy ny Andao Company. Tanjona ny hanova […]