Mois : octobre 2024

TARATRY ny KANTO

Hankalazana ny faha-10 taona nananganana ny tarika Dadalaora avy any Manalalondo, hisy ny adin-kiragasy goavana, izay hotontosaina ao amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny alahady 3 novambra izao. Hifampitaha amin’izany ry Rapaolison avy any Mandiavato sy ny tarika dadalaora Manalalondo. Miroso tsikelikely amin’ny asa aman’andraikitra hiantsorohany ny Maison Ony eny Ambatobe. […]

Tarika Zazadàla: hamoaka ny rakikirany voalohany

Hotanterahina ny sabotsy 9 novambra 2024, eny amin’ny Institut français de Mada­gascar (IFM) Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Zazadàla. Hetsika ho fampiroboroboana sy fampahafantarana misimisy kokoa ny “Juliette Romanova’s Ghost Story (Part 1)”, rakikira voalohan’ny tarika. Anisan’ny seho atolotry ny IFM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ao anatin’ny hetsika lehibe […]

Vondron-kery miady amin’ny piraty (BAP) : hamafisina ny ady amin’ny hosoka ana habaka

Tsy ny fanenjehana mpamokatra sy mpivarotra kapika hosoka ihany ny asan’ny BAP. Mbola mafy kokoa ny miandry azy ireo, ny hosoka niomerika, izay mahazo vahana loatra ary sarotra ahitam-bahaolana. Nampiana ny isan’ny mpitandro filaminana mandrifitra ny Vondron-kery miady amin’ny hosoka (BAP). Noraisina sy nampahafantarina omaly, taorian’ny fananganan-tsaina nataon’ny minisiteran’ny Kolontsaina […]

Bilarziozy eto Madagasikara : manafika any amin’ny taovam-pisakafoana sy taovam-pivalanana

Anisan’ny firenena ahitana betsaka ny aretina bilarziozy i Madagasikara. Aretina azo avy amin’ny kankana any anaty rano izy io. Mety hahatonga fahasarotana maro eo amin’ny olona iray ary mety hahafaty mihitsy izany raha tsy voatsabo ara-dalàna. Firenena iray anisan’ny ahitana tranga betsaka amin’ny aretina bilarziozy eto Madagasikara. Ahitana izany any […]

FANTINA sy FINTINA

Misy hetsika « torolalana » ho an’ny Solom­bavambahoaka mandritra ny roa andro, amin’ny alalan’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina, izay natomboka omaly, eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ho fanatsarana ny fomba fiasa eny anivon’ity andrimpanjakana ity. Ao anatin’izany ny hampahafantarana ny andraikitry ny depiote, ny fitantanana ny Antenimiera, ny etika, ny fanolorana tolo-dalàna, hatramin’ny […]