Mois : novembre 2024

FANTINA sy FINTINA

Nanambara ny eo anivon’ny RMDM fa manohana ireo kandidàn’ny Tim sy ny eo anivon’ny Firaisankina, amin’izao hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina izao. Vonona ho amin’ny famondronan-kery koa izy ireo ho amin’izany. Notsikerain’ny RMDM koa ny fomba fitantanan’ny mpitondra sy izao olana sosialy izao. Tontosa ny faran’ny herinandro […]

Randriamasinoro Ny Rina : “Tsy mitaky fiara 4 x 4 ny depiote mpanohitra”

Mbola resabe eny Tsim­bazaza ny mahakasika ny fitakiana na tsia ny fiara tsy mataho-dalàna ho an’ny depiote. Milaza tsy miady izany ny depiote mpanohitra, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Tim sady depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Antanana­rivo IV, Randriamasinoro Ny Rina. “Raha ho anay eo anivon’ny fanoherana, tsy mitaky […]

Miandry baiko

  Olon-tokana tsy afa-kanova firenena iray, araka ny tenin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fifampizarana tamin’ny delegasion’ny Emirates Arabo Mitambatra. Mahasadaikatra sy mahavalalanina fa toa niandrasana ny fidinany ifotony, ohatra, ny famahana ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano. Ifampiandrasana ny raharaha? Na tsy matoky tena ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, na miandry […]

Filoha Rajoelina Andry: “Tsy miankina amintsika irery ny olan’ny Jirama”

Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, fa miara-mientana ny minisitera rehetra, hamahana ny olan’ny Jirama. “Tsy miankina amintsika samy irery anefa izany”, hoy izy. Manoloana ny olana goavana sedrain’ny Malagasy, nitafa tamin’ny haino aman-jery ny Filo­han’ny Repoblika, halina. Ta­min’izany no nanamafisany fa tsy mitsahatra ny mitady va­haolana ny fitondram-panjakana. « Efa […]

TSELATRA

Trano iray kilan’ny afo teo Soanierana, omaly maraina tamin’ny 3 ora sy 26 minitra. Efitra roa tamin’io trano io no hotohoton’ny afo tanteraka. Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina ka voafehy ny fiparitahan’ny afo. Tsy nisy aina nafoy. Mpitondra moto tra-doza teny Marais Masay, omaly hariva. Nitsirara teo afovoan’ny arabe, tsy […]