Mois : novembre 2024

TARATRY ny KANTO

“ATF”, hira vaovaon’i Nate Tex sy i Bolo. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ity fampiaraham-peo, izay inoana fa hanamarika fiaraha-miasa vaovao ihany koa. “Atomboko amin’ny tenako ny fiovana” ny fanalavana azy, izay miresaka lohahevitra iray am-pon’i Nate Tex, ka nifampizarany tamin’i Bolo mba hamoaka hira tsotra fa misy lanjany. Efa […]

Tarika Johary : nampiaina an’i Barijaona sy ny Kintana Telo

Anisan’ny hiran’i Barijaona sy O’Suzah nanombohana ilay fampisehoana notontosain’ny tarika Johary tetsy amin’ny CCI Ivato, omaly, izay. Fifandrifian-javatra ve raha narahin’ny hira «Antananarivo »? Ny azo itompoana teny aloha dia raitra ny seho, araka ny nandrasan’ireo mpankafy mihitsy. Kalon’ny omaly, fa mitoetra laza ankehitriny. Saika niaraha-niredona avokoa ireo hira 50 […]

« Our Generation » : nihazo an’i Russie i Filamatra Matokia

Mitodika any aminy ny Malagasy rehetra maneran-tany. Lasa nihazo an’i Kazan, any Russie, i Filamatra Matokia Randriamampionona. Izy ilay tovovavikely hisolo tena an’i Madagasikara amin’ilay fifaninanan-kira “Our Generation”, izay hatao any an-toerana, ny 16 novambra izao. Ilay hirany “Iray” no entin’i Filamatra matokia hifaninana mandritra izany hambaboana ireo mpitsara. Fitiliana […]

“Miss Earth 2024”: lasan’i Jessica Lane ny laharana voalohany

Taorian’i Drita Ziri, avy any Albani ny taona 2023. I Jessica Lane indray no nahazo ny satro-boninahitry ny “Miss Earth” taona 2024. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Philip­pi­nes, ny dingana famaranana ho an’ny fifaninanana “Miss Earth 2024”. I Jessica Lane, tovovavy nisolo tena an’i Australia no voahosotra ho mpandresy. […]

Famorana na didim-poitra: fomba mbola fanao saingy miova tsikelikely ny endri-pankalazana

Vitsy no manao ny famorana antsakany sy andavany ankehitriny noho ny antony maro. Mbola ataon’ny rehetra kosa anefa izany, indrindra ny Malagasy. Fanesorana ny lohatsitsy na ilay hoditra mamono ny lohan’ny taovam-pananahan’ny lehilahy iny no atao hoe famorana. Ani­san’ ireo firenena manao izany ary manasokajy azy ity ho fomba mihitsy […]