Mois : janvier 2025

Mompera François Noiret : “Tsy ataotao foana fa manan-danja ny hira zafindraony”

Tsy ny mahay mihira rehetra no mahafehy ny zafindraony. Nitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika ity zavakanto iray ity ny Mompera François Noiret, tetsy Anjohy. “Avy aty Antananarivo ny niavian’ny zafindraony, raha ara-tantara. Niparitaka nanerana ireo faritra maro izany, na samy nanana ny nanaovany azy aza. Hafa ny an’ny betsileo tavaratra, […]

FANTINA sy FINTINA

Nirava maina ny hetsika sy fivorian’ny mpanohitra. Noravan’ny Emmo/Reg ny fivoriana nokasain’ny mpanohitra hatao tetsy amin’ny le Pave Antaninarenina, ny sabotsy teo. Tsy tanteraka koa ny fidinana an-dalambe saika hotarihin’ny depiote Ratsiraka Roland tany Toamasina. Rakotra mpitandro filaminana tsy na fahany nitarika izany teo amin’ny trano fonenany. Niatrana vao maraina […]

Hafatry ny FFKM : “Aoka handala ny fahamarinana sy ny rariny…”

Hentitra hatrany amin’ny fanambarany. “Aoka isika hitandro hatrany ny fahamarinana, ny rariny sy ny fahitsiana… Aoka ho feno fahendrena sy tahotra an’Andriamanitra koa ny tenintsika satria Andriamanitra tsy loharanon’ny fikorontanana fa fiadanana”, hoy ny hafatry ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, tetsy amin’ny FLM 67 ha, omaly. […]

Lesoka akana lesona

  Tsy misy tsy manaiky amin’izao fa ao anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka. Tsy mitsaha-miakatra, ohatra, ny vidim-piainana tsy voafehy, mampanahy be ihany ny famokarana noho ny tsy fahampian-drano… Manginy fotsiny izay efa nisy sy niainana hatramin’izay: tsy fandriampahalemana, tsy fisian’asa… Amin’izany rehetra izany, manararaotra ny mpanao politika sasany amin’ny […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Mila fahendrena ny fahefana azo”

Nanokatra ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna vao voafidy, tetsy Anosy, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Nambaran’ny minisitra tamin’izany fa tsy mora ny ady natrehina tamin’ny fifidianana nefa lany soa aman-tsara ireo ben’ny Tanàna ka nirariany mba ho taon’ny […]