Mois : janvier 2025

TSELATRA

Maty tsy tra-drano ny tovolahy mpitrandraka harena ankibon’ny tany tao amin’ny kariera Beka­paika, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Nihotsaka tampoka ny tany nanodidina ny lavaka ka tototra tao io lehilahy io. Tsy nisaron-tava, lehilahy iray niditra an-keriny ka naka solosaina tao amin’ny trano fandrasaim-bahiny iray teny Ankadifotsy, ny 14 janoary lasa teo. […]

Voalaza fa olon-dratsy: Mpiasana tetikasa matin’ ny fitsaram-bahoaka

Roa lahy izay mpampianatra sy miasa amina tetikasa nosamborin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Amba­to­faritana, kaominin’i Manampatrana, distrikan’Ikongo, omaly. Nisavorovoro ny mponina tao an-toerana fa nahin’izy ireo ho dahalo izy roa lahy. Raikitra ny fisamborana azy roa lahy voatondro molotra ho olon-dratsy ireo. Nentin’ny tahotra, niezaka nandositra ireo voalaza ka tratra. […]

Farafangana: Ankizivavy 9 taona naolana mpitandro filaminana

Niova fandeha, voamarin’ny mpitsabo eo anivon’ny CHRR Farafangana fa niharan’ny fanolanana ny ankizivavy 9 taona, tao amin’ny kaominina Evato, distrikan’i Farafangana, ny alakamisy 16 janoary teo, tamin’ny 9 ora alina. Nanatona ny ray aman-drenin’ny zaza ilay mpitandro filaminana fa mi­tady mpanampy hikarakara ao an-tokantranony. Mody nanadihady ny renin’ilay ankizivavy io […]