Mois : janvier 2025

Tenisy – Afrika Aostraly: resin’i Zimbabwe i Madagasikara

Nitohy omaly, tany Whindoek Namibie, ny fifanintsanana isan-tarika amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy U14 sy U16, lahy sy vavy. Resin’ny ekipan’i Zimbabwe, tamin’ny isa 2 no ho 0 teo amin’ ny manasa-dalana, ny Akomba de Madagascar U14, lehilahy. Ho an’olon-tokana, resin’i Mauchi, tamin’ny seta 2 […]

Baolina kitra-Barea U17: voaasa hiatrika fifaninanana iray volana any Maroc

Nanainga afakomaly hariva, tetsy Ivato, hihazo an’i Maroc, ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Mada­gascar, sokajy zandriny, U17 lehilahy. Araka ny vaovao voaray, omaly, hiatrika lalao ara-pirahalahiana any Maroc ireto Barea zandriny ireto, mandritra ny iray volana. Tsara marihina fa nahazo fanasana avy amin’ilay klioba any an-toerana, Raja Club Athletic, izy […]

Fifanintsanana « Afrobasket 2025 »: mpilalao 18 hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly

Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny basikety tao amin’ny pejiny facebook, omaly, ny lisitr’ireo mpilalao hitiliana izay hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny « Afrobasket 2025 », sokajy lehilahy. 18 mirahalahy izy ireo no tafiditra ao ana­tin’izany. Mpilalao milaravinahitra 6 no tazana ao anaty lisitra, ahitana an’i Mathias M’Madi, Lahotan Rija, […]

Fiakaran’ny rano – Atsimo Andrefana: sokatra 12 000 voatery nafindra toerana

Tadindonin-doza vokatry ny fiakaran’ny rano tafahoatra, voatery nafindra toerana azo antoka ny sokatra miisa 12 000 ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, afakomaly. Ravan’ny rano tanteraka ny toeram-ponenan’izy ireo izay sahanin’ny « Turtel Survival Alliance na ny TSA”. Manoloana io ambana io, nandray fepetra ity vondrona tsy miankina misehatra amin’ny fiarovana ny sokatra […]

Hita ny marimaritra iraisana: hidina ny vidin-tsolika eny anivon’ny mpanjifa

Nahita marimaritra iraisana ny fitondrana malagasy sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Hidina ny vidin-tsolika manomboka anio: lasa 5700 Ar ny lasantsy, 4760 Ar ny gazoala. Tsy araka ny fahita hatramin’izay! Rehefa hatao ny fandalinana rehetra, azo tanterahina tokoa ny mampidina ny vidin-tsolika, na eo aza ny fidangan’ny vidim-piainana. Hanamarinana izany, […]