Mois : janvier 2025

Vaovao tambatra

Tra-tehaky ny ekipan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) ny polisy nanana basy, nitondra fiara 4×4, nitondra zanaka voromahery, Ankoay, miisa 5, ny 16 janoary teo. Natao tanaty trano garaba ireo vorona, izay efa tsikaritry ny ekipan’ny Medd avy lavitra. Marihina, fa karazam-borona tandindomin-doza, sady tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ny Ankoay. […]

Tetikasa “Meca Mama”: hampianarina mekanika ny vehivavy

Mitsinjo manokana ny vehivavy sy tovovavy sahirana, reny tsy manambady, ny “Meca Mama”, tohanan’ny Tahirim-bola «La Francophonie avec Elles» avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia (OIF). Miisa 25 izy ireo no misitraka ny tetikasa, novolavolain’ny ONG HSS sy ny BTC, izay fampiofanana mandritra ny enim-bolana, mahakasika ny mekanikana fiara […]

Toekarena manga: ambany ny vokatra drakaka eto amintsika

“Tsy maharaka ny filana ny hazandrano drakaka eto Madagasikara raha oharina amin’ny tinady maneran-tany”, hoy ny minisitry ny Jono sy toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, ho an’ny taona 2024. Manodidina ny 4 250 taonina (t) ny drakaka naondrantsika izay tokony hampitomboina hamaliana ny tsena iraisam-pirenena. Pai­kadin’ny minisitera hanatrarana izany ny […]

Tetikasa Lac Iarivo: antenaina hitondra ny anjara birikiny ny tanora mpandraharaha

Tetikasa lehiben’ny fanjakana ny toerana fialamboly Lac Iarivo eny Ivato. Vonona hanome ny heriny sy ny fahaizany ny tanora mpandraharaha. Maherin’ny 100 ny tanora mpandraharaha nia­rahaba sy nirary soa ny filoha Rajoelina mivady, omaly, teny amin’ny La­pam-panjakana Iavoloha. Ni­tondra feo azy ireo Rave­lojaona Kanto, tomponandraikitry ny orinasa Zà-Tours Madagasikara. Nambarany […]

Top 12: hanatsara ny ezaka vita ny Uscar

Hiatrika ny lalao sakana eo amin’ny fifaninanana Top 12, hifandona amin’ny klioban’Anatihazo ny Uscar. « Tratra ny tanjona satria efa tonga amin’ny ankatoky ny famaranana ny ekipa », hoy ny fanazavan’ny mpanazatra ny klioban’ny Uscar, Razafindratsimba Marcelin. Tanjona amin’ity taom-pilalaovana ity, ny hampiakatra ny lentan’ny ezaka efa vita tamin’ny taon-dasa. Hanome ny […]