Mois : janvier 2025

Sombim-baovao

Laharana fahadimy eto Afrika ny Ankoay, sokajy lehilahy, ho an’ny basikety lalaovina olona 3. Io ny filaharana navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fiba), ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Laharana fahenina kosa ny sokajy vehivavy. Hifandrombahin’ireo klioba atsy Seychelles ny mpilalao baolina kitra avy eto Madagasikara, amin’ izao fotoana. Sesilany ireo mifindra lasy […]

“Afrobasket 2025”: hatao eto Madagasikara ny fifanintsanana

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina eto Madagasi­kara, ny 21 ka hatramin’ny 23 febroary ho avy izao, ny tohin’ ny fifanintsanana ho an’ny vondrona D, amin’ny fiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Efa ao anatin’ny fanomanana izany ny Elefantan’i Côte d’Ivoire amin’izao fotoana. Ho fiatrehana izany, niantso mpilalao miisa 23 ny mpanazatran-dry […]

Rigobert Song: voafidy ho mpanazatra an’i Centrafrique

Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra izao fa nofidin’ ilay minisitry ny Fanatanja­han­tena sy ny tanora ary ny fanabeazana ny maha olom-pirenena ao Centrafrique (RCA), Rodolphe Heritier Bonheur, ho mpanazatra ny ekipa nasionalin’ny les Fauves Centrafrique, ilay kameroney, Rigobert Song Bahana. Natao tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana izany, ny 13 […]

Indray mijery

 Nanomboka ny volana oktobra 2024, hifarana ny volana avrily ho avy izao, 1,7 tapitrisa ny isan’ny olona tohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) ara-tsakafo, ho an’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana. Sakafo 18 500 t sy vola mitentina 6 tapitrisa dolara no notsinjaraina mivantana tamin’ny tokantrano hanampiana azy ireo […]

Sakafo: mila mailo amin’ny hazandranomasina

Matetika miseho ny fanapoizinana amin’ny fihinanana hazandranomasina voarara amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Miseho 2 hatramin’ny 12 ora aorian’ny fihinanana azy ny trangan’aretina. Mety marary an-doha, manakotsako ny vanin-taolana, mivalana sy mandoa ary mety ho reraka ny marary. Mampiavaka ny trangan’aretina kosa ny vatana sy ny rantsam-batana ary ny faritra manodidina […]