Ny zanak’i Sofia sy iny tapany avaratra iny mahay tsara ny talentany. Iray amin’ireo mbola nitana ilay filalaovana ny korodôgno mampiavaka ny gadona antosy i René, izay nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo. Manan-talenta iray indray no nandao ny tontolon’ny velona. Nodimandry ny alin’ny alatsinainy, teo amin’ny faha-56 taonany, i René […]
Mois : janvier 2025
Fantina sy fintina
Manana vahoaka ny Irmar matoa voafidy, araka ny nambaran’ny depiote Raholdina Naivo tetsy amin’ny Arena Ivandry, afakomaly. “Antsika kosa ny tanàna amin’izao. Tsy mahagaga raha lany ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, satria anisan’ny nampandany azy hatrany amin’ny 60 na70% izahay”, hoy izy. Nankahery ireo rehetra, tra-pahasahiranana noho ny fandalovan’ny rivodoza […]
Iri-mahaory
Nijohy tokoa moa izany raorana tao anatin’ny andro vitsy, teto an-drenivohitra. Velombolo aoka izany ny olon-drehetra. Mba nionona tamin’ny kitatitaty rano amin’ny bidon sy ny sinibe. Niala tamin’ny filaraham-be tsy nahitam-bokany. Migalabona aloha raha rano hosotroina, ny handrahoana sy ny handroana. Raha milaza fa sahirana ara-drano dia efa mandainga sy […]
Jeneraly Ravelonarivo Angelo: «Tsy azo ekena ny fanakorontanana»
Mbola nanamafy indray ary hentitra ny eo anivon’ny prefektiora, omaly, manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao. “Tsy azo ekena ny fanakorontanana fa tany tan-dalàna isika. Tsy eken’ny lalàna ny fanaovana hetsika ivelan’ny voalazan’ny lalàna”, hoy ny Prefet de police, Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nanteriny fa efa eo ny Fitsarana misahana ny […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: «Ho taonan’ny asa sy filaminana ny 2025»
Nanao rodombe tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ireo governoran’ny faritra sy ny talem-paritra manerana ny Nosy. Napetraka tamin’izany ny tanjona sy ny fanamby hiatrehina ny asa amin’ity taona ity. Nirary soa ny minisitra Andriantsitohaina Naina, izy ireo ary nanolotra ny solombodiakoho amin’izao fahatongavan’ny taona vaovao […]




