Mois : janvier 2025

Ravan’ny rivodoza ny efitrano fianarana: mpianatra 8 962 tsy afaka mamonjy sekoly

Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tany amin’ny faritra avaratra, mahatratra 8 962 ny mpianatra tsy afaka manaraka ny fampianarana noho ny antony samihafa, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC. Any amin’ny faritra Diana no be indrindra, miisa 6 436, any Sava: 1 913 ary 613 ny any Analanjirofo. Antony, ny faharavan’ny […]

Atsiranana I-II, Ambilobe, Vohemar: tonga nanatitra fanampiana ho an’ny traboina ny fanjakana

Tsy niandry ela. Avy hatrany dia namonjy ireo olona traboina any amin’ny faritra tena voa mafy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi ny fitondram-panjakana. Kojakoja ilaina andavanandro iatrehana ny fanarenana ny fiainana no laharam-pahamehana amin’izany. Nidina avy hatrany na­mangy ireo mponina traboina any amin’ny faritra Diana sy Sava ny iraky ny […]

Taratry ny kanto

“En chanson” – misokatra ny fisoratana anarana. Ity ilay fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, karakarain’ ny Alliance Française eto Madagasikara. Tsy hira noforonina akory, fa ireo hira amin’ny teny frantsay araka ny safidin’ny mpifaninana no hataony mandritra izany. Manana hatramin’ny 7 febroary ireo liana, hisoratany anarana eny amin’ny AFT Andavamamba. Tsy […]

Sehatra Bagasy 2025: hisy ny « Asaramanitra bagasy »

Sehatra Bagasy, vondrona ikambanan’ireo mpiangaly, mpitia, mpikajy, mpamelona, sns, ny bagasy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana volana janoary sy febroary ny hanatanterahina ny « Asaramanitra bagasy ». Araka ny vaovao nampitain’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy, ny sabo­tsy 1 febroary, manomboka amin’ny 2 ora sy 30mn ka hatramin’ny 5 ora sy 30mn hariva, ao […]

Antoko mpihira Afatra: notsiahivina indray ny Epifania

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, ny « Antsa Epifania ». Fety kristianina natao ho faha­tsiarovana ny famangian’ireo Magy an’i Jesoa Kristy tamin’ ny fahaterahany. Samihafa ny fiavian’ireto Magy ireto, araka ny raki-tsoratra hita tao amin’ ny « Excerpta latina barbari ». Nanatanteraka tahaka izany koa ny antoko mpihira Afatra […]