Amin’ny ankapobeny, nihemotra ny fananana ilay fanahy maha olona ao amin’ny Malagasy. Tsy ilaina mari-pandrefesana na tarehimarika avoakan’ny vahiny, hoenti-manamarina izany. Tsy hain-dry zareo rahateo ny fonosin’io fahendrena malagasy io. Anisan’ny antony lehibe niteraka io fihemorana io ny nataon’ny ray aman-dreny niteraka. Miamboho adidy manoloana ny fanabeazana ny zanany izy […]
Mois : janvier 2025
Fahaiza-mamaky teny frantsay : Raikitra ny « Championat de lecture » 7
Hotanterahina ny 15 febroary ka hatramin’ny 5 marsa izao, ao amin’ny Alliance Française Antananarivo Andavamamba ny « Championat de lecture », andiany faha-7. Fifaninanana hitiliana izay mahay mamaky teny frantsay. Mizara sokajy telo ny mpifaninana. 9 ka hatramin’ny 12 taona. 13 taona ka hatramin’ny 17 taona ary ny mihoatra ny 18 taona. […]
“Mondiacult 2025”: Hamaritra ny politikan’ny kolontsaina maneran-tany
“Inona no entin’ny kolontsaina amin’ny fampandrosoana maharitra?”. Lohahevitra iray lehibe, iompanan’ny “Mondiacult 2025” io. Hanana anjara amin’izany Fikaonandoha izany i Madagasikara. Fotoan-dehibe ho an’ny sehatry ny kolontsaina maneran-tany. Hotontosaina ny 29 septambra hatramin’ny 1 oktobra izao, any Barcelone, Espagne, ny “Mondiacult 2025”. Fihaonana an-tampony lehibe indrindra, hamaritana ny politikan’ny kolontsaina […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 433 ireo orinasa niforona tao anatin’ny telo volana faran’ny taona 2024. Nahitam-piakarany 20,2% izany raha oharina ny tamin’ny taona 2023. Orinasa malagasy avokoa ny 70% ireo vao niforona raha tantanina teratany vahiny ny 30%. Mitana ny laharana voalohany ireo misehatra amin’ny sokajy fahatelo izay mahatratra 81,1%. Hampiroboroboana ny lafiny […]
Kodiaran-droa : Hamoraina ny fividianana moto
Miroborobo ny fampiasana kodiaran-droa, noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ilaina ny moto vaovao satria azo antoka sy mifanaraka amin’ny toetry ny lalana eto amintsika. Nampahafantarina, omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny orinasa Be Moto sy ny banky Sipem. Nitarika ny fotoana ny tale jeneraly lefitra misahana ny fampandrosoana, Randriatsimialona Lanja, sy ny […]




