Mampanao fifaninanana ho an’ny tanora ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara. Miompana amin’ny fahaizana mandresy lahatra tetikasa ny fifaninanana, manome vahaolana mahakasika ny fiovan’ny toetr’ andro, ny fampandrosoana entin’ny teknolojia niomerika ary ny sehatry ny indostria vaovao. Mialoha ny 26 janoary izao ny fara-fandraisana ny antontan-taratasy. Miisa 15 000 ny zana-kazo hozaraina […]
Mois : janvier 2025
Vidin-tsigara : Nidina 1 440Ar ny « droit d’accise »
Nahena ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana na “droit d’accise” ho an’ny sigara. Lasa 1 440Ar izany amin’izao fotoana, raha toa ka 1 470Ar teo aloha. Fepetra napetraka ho an’ireo fonosana misy sigara 20. Manodidina ny 50 ka hatramin’ny 70%, izany hoe, tsy niova kosa ny taha alaina amin’ny sigara (tabacs […]
Letisia: Tafakatra 6 000Ar ny kilao
Lafo sady tsy marin-toerana ny vidin’ny letisia eny an-tsena, amin’izao fotoana. Mahatratra 6 000Ar ny kilao eny Ivandry, ho an’ny vokatra tsara kalitao, raha toa ka vidina 3 500Ar izany eny amin’ny tsenan’Andravoahangy ho an’ireo letisia tsy mbola masaka tsara. Vokany, mihena ka tsy maharisika ny mpanjifa intsony ny vokatra. […]
Lalana : Ho vita amin’ny septambra ny ampahany amin’ny RN13
Anisan’ny tetikasa roa lehibe ataon’ny fanjakana ny fanamboaran-dalana any atsimo. Misongadina amin’izany ny lalam-pirenena ampahany RN13, sy ny RN10, Andranovory-Ambovombe. Mandeha ny fanamboaran-dalana, hatao godirao ny ampahan’ny lalam-pirenena faha-13, Taolagnaro hatrany Ambovombe. Mirefy 114 km ity lalana ity ary efa vita hatrany amin’ny 65% ny asa, ataon’ny orinasa Colas, famatsiam-bola […]
INDRAY MIJERY
Andrasana ny fahatongavan’i Mathias Madi amin’ny dingana faran’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika taranja basikety, lalaovin’olona 5, hatao ny volana febroary izao. Tsiahivina fa tsy tonga izy nandritra ny dingana voalohany tamin’ity fifanintsanana ity saingy mety ho avy kosa amin’io febroary io. Nahavita nanatsara zava-bita nasionaly 4 ny Malagasy mpilomano, […]




