Mois : janvier 2025

Kaominina ambonivohitr’ i Toamasina : 60 taona aty aoriana vao nisy famindram-pahefana teo amin’ny ben’ny Tanàna

Tontosa ny alatsinainy 27 janoary teo, tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina ny famindram-pitantanana eo amin’ny ben’ny Tanàna teo aloha sy ny vaovao, izay hitantana ny tanàna ao anatin’ny dimy taona manaraka indray. Nanatanteraka izany Ra­ko­tonirina Nantenaina Herilala, ben’ny Tanàna teo aloha sy ny mpitsara, Randriafanomezantsoa Lova­heritiana Alain, ben’ny Tanàna vaovao. […]

Ben’ny Tanàna Tota : “Hotanterahina ny nampanantenaina”

Notontosaina teny amin’ny kaominina Andoharanofotsy, omaly, ny fametrahana amin’ny toerany ny ben’ny Tanàna, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. “Tsy maintsy tanterahina izay rehetra nolazaina. Maro no efa vita, ary hampitomboina avo folo heny noho ny teo aloha ny asa fampandrosoana ny tanànan’Ando­harano­fotsy”, hoy izy. Araka ny tantara, i Maire Tôta […]

Tale jeneralin’ny Fananan-tany : “Miasa hatrany eo anilan’ ny kaominina izahay”

Nidina ifotony nijery ny fanarenana ny fefiloha vaky eny Malaza – Faliarivo ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), omaly. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fanajariana ny tany, Rakotomalala Mian­galy, ary nanafarany ireo ben’ny Tanàna ny momba ny fanajariana ny kaominina iadidian’izy ireo. “…Miasa hatrany ary eo akaikin’ny […]