Mois : janvier 2025

INDRAY MIJERY

Ny bibilava no manamarika ny fankalazana ny taom-baovao sinoa amin’ity taona ity. Nanamarika izany ny Institut Confucius ao amin’ny oniversiten’ i Maha­anga, ny alatsinainy teo. Natolotra nandritra izany koa ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika tao an-toerana. Vita omaly, ny fampiofanana nandritra ny hefarana ireo mpamily miisa 120 eo anivon’ny […]

Faritra andro ratsy: Mbola mitondra rotsakorana any atsimo andrefana

Miha mahazo vahana ha­trany ny rahom-baratra miaraka amin’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Nitondra rotsakorana betsaka tamin’ny faritra andrefana sy atsimo adrefana izy tato anatin’ny 24 ora fa­rany. Satria, nahatratra 107,7 mm ny rotsakorana voarefy tao Morombe raha 49,8 mm kosa ny tao Toliara, ny fiandohan’ny herinandro teo. […]

Fampianarana ambony : Nangataka tohana hanatanterahana ny vina

Nanatanteraka fihaonana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny minisiteran’ny Fam­pia­narana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny fiandohan’ ny herinandro teo. Fihaonana izay notarihin’ny profesora Chaminah Loulla sy ny mpiara-miasa aminy. Natolotra nandritra izany ireo vina sy ny tetikasan’ny minisitera efa an-dalam-panatanterahana sy ireo mbola ho avy. Miompana amin’ny laharam-pahamehana […]

Hanara-maso ny fivarotam-panafody : Hiasa avy hatrany ireo pharmaciens inspecteurs 20

26 taona lasa no nisy fivoahana pharmaciens inspecteurs nahazo fiofanana farany teto Madagasikara. Ireo mbola am-perinasa kosa, efa lasa nisotro ronono avokoa, ny taona 2020. “Tao anatin’ny efatra taona farany, tsy na­nana pharmaciens ins­pecteurs intsony ny minisite­ran’ny Fahasalamam-bahoaka ka natao laharam-pahamehana ho an’ny minisitera ny fano­fanana”, hoy ny minisitry ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Rehefa nahazo mari-pahaizana sy nandrato fianarana tany ivelany, i Faneva Ima, Malagasy mpilalao baolina kitra, nanambara ny tenany, ny afakomaly, teo fa vonona amin’izay izy ny hitondra sy hitantana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahivina fa i Faneva Ima no nitondra avo ny Barea nandritra ny Can 2019 tany […]