Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny renim-pianakaviana misahana ny fandoavam-bolan’ny hopitaly iray ao Toamasina. Niaraka tamin’ireo vavolombelona roa samihafa miasa ao an-toerana. Raha tsiahivina, nisy jiolahy roa lahy niditra an-keriny tao anivon’ny hopitaly Be Toamasina. Intelo niditra varavarana izy ireo vao tonga tany amin’ny caisse. Nisy nahatsikaritra ny fidiran’izy ireo tao […]
Mois : janvier 2025
Depiote “Del kely”: “Mila vola sy maka ny fon’ireo mahantra isika”
Anisan’ireo nandaha-teny tamin’ny fiarahabana ny fianakaviana Ravalomanana teny Faravohitra, omaly, ny depiote “Del kely”. Nambarany tamin’izany ny paikady fisokafana. “Tsy hijanona ato anatiny eo amin’ny samy Tim intsony isika manomboka izao fa andao resena lahatra ireo mahantra sy ireo sahirana ary ireo tsy miraika amin’ny politika hanampy antsika hanao ny […]
10 taona ny Oniversiten’Itasy: 20 ny lalam-piofanana amin’ny sekoly ambony
10 taona niorenana ny Oniversite any Itasy, natao ho fanitarana ny Oniversite eto Antananarivo, handray ireo mpianatra monina anatin’ny faritra sy ny manodidina. 20 amin’izao fotoana izao ny lalam-piofanana (parcours) azon’ny mpianatra hisafidianana amin’ny ivontoeram-pampianarana dimy misy ao an-toerana. Ecole supérieure de l’ingénierie, Ecole supérieure de l’économie, de droits et […]
INDRAY MIJERY
Miantso ny infirmier rehetra ny filohan’ny Conseil de l’ordre national des infirmiers de Madagascar (Conim) hisoratra anarana anatin’ny holafitra satria tsy maintsy atao izany. Matetika efa manana olana ireo infirmier vao mihazakazaka mangataka ny fanampian’ny holafitra. Ahitana orana tandrifin-drahona hatrany any amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana ary ny morontsiraka […]
vatsim-pianarana any Chine : Misokatra ny fangatahana
Misokatra indray ny fanomezana vatsim-pianarana «Grande Muraille» 2025-2026 iarahan’ny Unesco sy ny fanjakana sinoa. Afaka mandefa antontan-taratasy fangatahana hisitraka izany ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana any Chine. 75 ny isan’ny vatsim-pianarana homena. Ny 47 natokana ho an’ny mpianatra manomana ny mari-pahaizana Master na doctorat na koa olona vonona hanatanteraka […]




