Tafiditra amin’ny tetikasa Avotse, anatin’ny asa hitsinjovana sy hanenana ny voina mety hateraky ny haintany amin’ny faritra Atsimo ny fanadihadiana ny faharefoana. Mampitondra faisana ireo mponina amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara ny haintany. Manao tantsoroka ifotony ny ekipan’ny Sahi Mpanasoa, entina hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fiatrehana ireo voina izay mety […]
Mois : janvier 2025
TARATRY ny KANTO
« Tsiahy ho an’ny fahaterahan’ny Repoblika ». Mitohy hatrany ny fampirantiana ho fampahafantarana ny tantaran’i Madagasikara, indrindra nanomboka teo amin’ny naha tany Repoblikanina azy. Eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no ahitana izany nanomboka ny 14 oktobra 2024, hatramin’izao. Hisy ny atrikasa sy fampianarana ary fifampizarana mahakasika ny sokajina hatsikana « Stand Up », anio tolakandro, eny […]
Radisson Hotel Tanjombato: Hisantatra ny sehatra ny “Jazz night”
Ny eny amin’ny Radisson Hotel Tanjombato indray no handray ny « Jazz night », amin’ity anio ity, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Mpiangaly Jazz maro no handray anjara amin’izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny Madajazzcar sy ny Radisson Hotel no hahatontosana izany. Tsiahivina fa efa nanomboka ny volana oktobra 2024 no nisian’ny hetsika. Mpanakanto […]
Slam Malagasy: Hetsika goavana maro no hotontosaina amin’ity taona ity
Ankoatra ny firoboroboan’ity taranja ity eto Madagasikara, mbola ao anatin’ny fampivelarana azy kokoa ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, indrindra amin’ity taona 2025 ity. Maro ny hetsika vaovao sy ny fanatsarana entina amin’ny efa natao. Voalohany amin’izany ny hisian’ny sokajim-pifaninanana amin’ny teny anglisy mandritra ny fifaninanana nasionaly. Eo ihany koa ny […]
Tanteraka ny vina: Nivoaka tokoa ny « Valihan’Ikaky »
Niavaka ny nanombohana ny taona 2025. Nampahafantarina sy naseho, omaly, teny amin’ny foiben’ny toeram-pikarohana sy fampianarana momba ny mozika, Valiha Académie (Itaosy) ny fivoahan’ilay boky « Valihan’Ikaky » laharana voalohany. Boky ahitana fizarana telo miavaka tsara. Fizarana voalohany, maneho ny momba ny valiha malagasy. Fizarana faharoa, ny solfezy ary ny fizarana fahatelo, […]




