Mois : janvier 2025

Dia mora ambakaina!

  Asa re fa dia mahavariana ny mahita antsika Malagasy mifampiandry kendry tohina amin’ny fiainana ity. Mahavalalanina ny mahita ilay mifandramatra eny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Ny tena zava-doza dia any amin’ny lohahevitra tsy mahasoa no mandany fahana isika mianakavy. Mifampivazavaza sy mifanasa vangy. Na olon-tsotra na ireo heverina ho manampahaizana sy […]

Fiarahamonim-pirenena Safidy : “Azo atao ny fitoriana fanalana an-daharana kandidà”

Nampahatsiahy ny momba ny fifanolanana ara-pifidianana na koa ny amin’ny fitoriana tokony hatao, ny eo anivon’ny Safidy tamin’iny fifidianana ben’ny Tanàna iny. Anisan’izany ireo dingana samihafa tokony harahina. Nambaran’izy ireo ao amin’ny pejy facebook fa afaka mitory eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, “Tribu­nal Administratif – Taf”, ny […]

TSELATRA

Vehivavy iray nendahin’ny jiolahy teny Ambo­hi­jatovo, omaly hariva. Teo am-pilaharana hijery jiro izy no nosintonin’ireo mpanendaka ny poketra teny aminy. Nian­jera tamin’ny arabe izy vokatry ny sinto-mahery nahazo azy. Finday sy vola no tao anaty poketra. Ranomaso sisa ny azy satria tsy afaka nijery jiro intsony. Dahalo mpangalatra omby lavon’ny […]

Voavely “barre à mine” : Maty ilay lehilahy nanasaraka ady

Naratra mafy ka voatery nentina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny lehilahy iray nanasaraka ady tao Andra­nomadio 11/43, kaominina Toamasina, ny alin’ny 1 janoary teo. Tao anatin’ny hafanam-po, teo am-piandrasana ny taona vaovao, nitrangana fifampikasihan-tanana teo amin’ireo vatan-dehilahy tsy nifankahazo hevitra tao amin’io fokontany io, tamin’ny 8 ora alina. […]