Miaramila iray naratra mafy tra-doza teny amin’ny RN4 tao Andakana, kaominina Anosiala, omaly. Nentin’ny tsara sitrapo teny anivon’ny sampana vonjy aina ao amin’ ny CHU Anosiala izy manaraka fitsaboana. Naratra mafy ny faritry ny vavany sy ny lohany. Nidoboka am-ponja omaly, ilay raibe nanolana an-jafikeliny tao amin’ny distrikan’i Fandriana. Nanamparany […]
Mois : janvier 2025
Antehiroka: Lehilahy hita faty tao anaty dobo filomanosana
Namoy ny ainy tao anatin’ny dobo filomanosana anatin’ny tokotanin’ny olon-tsotra ny lehilahy iray tao Antanetibe, kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo, ny 27 janoary teo. Nahatazana olona nihaodihaody tao amin’ ny tanànany ny tompon-trano ny alin’io andro io, tamin’ny 7 ora sy 40 minitra. Tsy nanao akanjo, nivezivezy teo amin’ny faritry ny […]
Ambalamanasy : Andian-jiolahy ravan’ny zandary
Ravan’ny zandary ny alin’ny 24 janoary hifoha ny 25 janoary lasa teo, tany Ambalamanasy ny tambajotrana jiolahy mpamaky trano sy mpanendaka tany an-toerana. Voasambotra vokatr’izany, ny 11 mianadahy. Tsy ampy taona ny enina tamin’izy ireo, vehivavy kosa ny dimy hafa. Nanao fanarahan-dia tovolahy iray mampiahiahy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. […]
Halatra solika amin’ny RN2 : Olona valo lahy saron’ny zandary
Mpangalatra sy mpanampoka solika teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Mpamily sy mpanampy azy miisa valo voasambotry ny zandary. Saron’ny zandary teny Ankarefo, kaominina ambanivohitra Ambodinifody, disitrikan’i Moramanga, omaly, ireo fiarabe fito mpangalatra sy mpanampoka solika. Voasambotra tamin’izany ireo mpamily sy ny mpanampy miisa valo. Efa eo am-pelantanan’ny zandary izy ireo amin’ […]




