Miarina kely ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny euro, amin’izao fiafaran’ny volana janoary 2025 izao. Misanda 4 834 Ar ny 1 euro, omaly 28 janoary, raha 4 900 Ar izany ny 30 desambra 2024. Nidina ho 4 800 Ar ny 1 euro ny fiandohan’ny taona (3 janoary 2025). Nitohy nidina ho 4 773 Ar tapa-bolana […]
Mois : janvier 2025
« Sommet Africain de l’énergie » : Nahavita fifanarahana roa sosona i Madagasikara
Vita sonia, omaly, ny fanambaran’i Dar es Salam sy ny fifanarahana nasionaly amin’ny angovo eto Madagasikara (Pacte National Energétique de Madagascar). Tondrozotra mamaritra ireo tanjona ho an’ny angovo sy ny tetiandro hanatanterahana ny tetikasa. Porofo izao fa vonona hanamafy ny fiara-miasa sy hanapariaka ny angovo ho an’ny rehetra ny fitondram-panjakana. […]
TARATRY ny KANTO
Faha-10 taonan’ny Festival Striratry”, antsoina ireo mpanakanto te handray anjara. Fotoan-dehibe ho an’ny zavakanto an-tanàn-dehibe ao Antsiranana izy ity, izay hiditra amin’ny andiany faha-10. Antsoina, araka izany, ireo mpanakanto sy mpanan-talenta mba hanatitra ny taratasy fisoratana anarana any amin’ny Alliance Française Antsiranana. Mety foana na mpanao hosodoko, mpaka sary, mpanao […]
Fanatontosana sarimihetsika : Sarotra indrindra ny fanoratana ny tantara
Maro ireo nanonofy nanatontosa sarimihetsika. Maro ireo manan-kevitra hanaovana sarimihetsika iray. Fa mbola sarotra lavitra, tsy araka izay hiheveran’ny maro azy ny asan’ny mpanoratra ny tantara. Io ny tena fototry ny sarimihetsika. Fanomezana aina ilay tantara ny aorian’izay. Matetika tsy mipetraka araka ny tokony ho izy anefa io asan’ny mpanoratra […]
Mitohy ny fikaonandoha : Hampodiana ireo vakoka afrikanina
Haverina amin’ireo firenena afrikanina izay niaviany ireo harembakoka miranty any amin’ireo tranombakoka manerana izao tontolo izao. Fanapahan-kevitra anisan’ny lehibe indrindra noraisina teo anivon’ny Unesco io, mahakasika ny vakoka sy ny kolontsaina. Dingana maro sady lava anefa ny hahatongavana amin’izany, ka ao anatin’izay ny Fikaonandoham-paritra izay tontosaina any Addis-Abeba, any Ethiopie, […]




