Mois : janvier 2025

Fanajana zon’olombelona: Anisan’ny anaovana tombana any Genève i Madagasikara

Fitsapana hamantarana ny toeran’ny firenena iray sy ny andraikiny amin’ny fampiharana ny zon’olombelona ny «Examen périodique universel» (EPU), nanomboka any Genève, omaly. Anisan’ny firenena miatrika izay fanadihadiana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona izay i Madagasikara. Nitarika ny delegasiona sady mitarika ny fivoriana any an-toerana ny minisitry ny Fitsarana sy ny minisitry […]

« Diplôme d’Animateur Fédéral »: Dingana ahafahana mampianatra karate

Tanjon’ny Federasiona ny Karate-do Malagasy ny hampiakatra hatrany ny lentan’ny mpikatroka ao aminy. Singa iray anisan’ny hahatratrarana izany tanjona izany ny fananana mpampianatra manana ny maha izy azy sy manana traikefa ary indrindra manana fahalalana miroso manaraka ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Dingana voalohany mila hatao ny fanarahana ny fiofanana […]

Faritanin’i Fianarantsoa : Nomena torolalana ireo ben’ny Tanàna vao voafidy

Mitohy hatrany ny fifampizarana sy fampitana traikefa amin’ireo ben’ny Tanàna, vao voafidy farany teo. Anjaran’ny any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa indray no nanatanterahana izany ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nitarika ny fa­nofanana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fi­tsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny […]

INDRAY MIJERY

Ho an’ny telo volana voalohany, manomboka ny febroary hatramin’ny avrily, vinavinaina fa hanodidina na ho ambony noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana manerana ny faritra Alaotra Mangoro. Raha oharina tamin’ny taona lasa 2024 izany, tombanana fa mety hitovitovy na ho latsaka kely. Mandritra ny febroary, ahina mbola hisy […]