Mois : janvier 2025

Mitovy amin’ny fisehoan’ny gripa : Mamely ny tsimokaretina HMPV, tsy atahorana hiteraka valanaretina

Nosokajian’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana ho anisan’ny antony mitarika ny aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika maneran-tany ny tsimokaretina « métapneumovirus humain » (HMPV). Mirongatra be ity tsimokaretina ity any avaratr’i Sina ary feno marary ny hopitaly ka nampitaintaina ny vahoaka any an-toerana. Na nitombo aza ny isan’ny olona marary tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana any an-toerana, […]

Andrianainarivelo Hajo: “Tsy voahaja ny tany tan-dalàna”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, An­dria­nainarivelo Hajo. Nam­barany, tamin’izany, fa rava tanteraka ny fototry ny fitsinjaram-pahefana mitondra mankany amin’ny fampandrosoana maharitra, taorian’ny nivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. “Tena tsy voahaja ny tany tan-dalàna sy ny safidim-bahoaka anisan’ny nimatimatesan’ny MMM tamin’ny toerana […]

Faritanin’Antsiranana sy Mahajanga: Nofanin’ny minisitera avy hatrany ireo ben’ny Tanàna

Tsy an-kiandriandry. No­fanina avy hatrany ireo ben’ny Tanàna vao voafidy ho an’ny faritanin’Antsiranana sy i Ma­hajanga. Notanterahina, oma­ly sy afakomaly, izany ka miisa 24 ireo avy any amin’ny faritra Sava sy i Diana raha miisa 101 kosa ireo ben’ny Tanàna avy any Boeny sy Betsiboka miaraka amin’i Melaky sy ny […]

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy fotoan’ny korontana izao”

Nanamafy ny filoha Rajoelina Andry, omaly, nanoloana ny FFKM fa tsy mitsahatra mitady izay hampandrosoana an’i Madagasikara izy. Nohamafisiny koa anefa fa tsy fotoan’ny fanakorontanana izao. «Tsy manana toerana eto Madagasikara intsony ny fanakorontanana, indrindra ny fifampirafesana sy ny fifandrafiana amin’ny samy Malagasy», hoy ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, […]

Depiote Rafidimanana Désiré: “Tsy tokony ho any amin’ ny korontana isika”

“Tsy tokony ho any amin’izay korontana izay intsony isika, fa miandry indray ny fifidianana manaraka”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Irmar, Antananarivo IV, Rafidimanana Désiré, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra sasany amin’izao. Nisy hatrany ny fifaninanana teo amin’ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha Ravalomanana Marc, fa […]