Raim-pianakaviana iray may vokatry ny fahamaizan’ny trano nonenany, omaly maraina. Taraiky tany amin’ny efitra ambony ny zafikeliny iray ka nanavotra azy io izy no may. Niainga tany amin’ny efitra ambany ny afo, nahitana solika ka nampiredareda malaky ny afo. Efa nentina tany amin’ny mpanao ody may izy io taorian’ny tranga. […]
Mois : février 2025
Karohina ny mpamily : Lehilahy maty voadonan’ny fiara
Nisehoana lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny lalana akaikin’ny Clinique Malaza Andoharanofotsy, afakomaly alina tamin’ny 9 ora latsaka teo. Maty tsy tra-drano, voadonan’ny fiara tsy fantatra, ny lehilahy iray. Nampandre ny zandary avy ao Andoharanofotsy ny olona tsara sitrapo fa misy olona mitsirara sy maratra mafy eny an-toerana. Nidina nijery ny zava-misy teo […]
Dahalo raindahiny : Lavon’ny balan’ny zandary i Fidel kely
Maty lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Tsiroanimandidy, i Fidel kely, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Nahazo antso avy amin’ny mponina any an-toerana ny zandary fa misy dahalo 15 lahy mitondra basy mandalo ny kizo any Borikely, fokontany Vohimasina, kaominina ambanivohitra Belobaka, distrika Tsiroanimandidy talohan’io tranga io. […]
Entana halatra tetsy Behoririka: 11 voasambotry sy nosamborina
Nanomboka ny 5 febroary lasa teo, tafakatra 11 ireo olona voarihorohy sy voasambotra tamin’ilay halatra entana solosaina 37 sy bisikileta elektrika tetsy Behoririka. Voasambotra omaly ny 8 tamin’izy ireo. Niampy valo indray ireo mpandray entana tsy ara-dalàna tamin’ilay halatra entana: bisikileta elektrika sy solosaina 37 tao amin’ny tranombarotra informatika iray […]




