Mois : février 2025

Rugby – “AROI 2025” : Hotanterahina ny volana avrily

Hampiantrano ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ny Malagasy Rugby. Hisantatra izany ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny sokajy zandriny latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy, eo amin’ny rugby lalaovin’olona 7. Mikarakara izany ny fikambanan’ny rugby aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina na ny Aroi. Hatreto, tsy mbola […]

« Afrobasket 2025 » : Efa eto an-toerana ry Kiady sy Jerry ary Rija

10 andro tsy higadonan’ny dingana faran’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny “Afrobasket 2025”, mihamafy ny fanomanantenan’ny ekipa malagasy, Ankoay lehilahy. Mahakasika ireo mpilalao milaravinahitra, efa misy tonga eto an-toerana, anisan’izany Ra­za­namahenina Kiady sy Ra­bibisoa Jerry Pépin ary i Lahotan Rija. Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no tonga teto i Jerry raha vao […]

TARATRY ny KANTO

Hisy velakevitra roa, iarahana amin’ireo mpanoratra sy poeta, ao amin’ny Faribolana Sandratra, anio. “Ny forona, mafy orina” ny lohahevitra voalohany, hofakafakain’i Mero Kosiky. “Ny forona sy ny mpamorona kosa ny faharoa”, hoentin’i Andriniela. Ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy ireo, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Tsy raikitra ilay “Revy […]

Tenindreny : Hisy ny Tombokavatsan’ny teny malagasy

21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ». Hanatanteraka hetsika miavaka eto an-dRenivohitra ny Fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Ha­vàtsa-Upem, amin’io fotoana io. « Tombokavatsan’ny teny ma­lagasy », hotontosaina ao amin’ny efitrano malalaky ny Havoria Anosy, ny zoma 21 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fiantsana tononkalo […]