Mois : février 2025

Nikasa hividy basy: Saron’ny zandary i Voamba mpanao fanafihana

Saron’ny zandary tao Toa­masina, omaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana, fantatra amin’ny anarana hoe i Voamba. Avy any Am­bovombe Androy izy saingy tonga manao ny asa ratsiny ao an-drenivohitry ny faritra Atsi­nanana. Maro ny fanafihana efa vitan’ity jiolahy ity ary niaiky izany rahateo izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary azy. […]

Fiaraha-miasa: Hanohana ny fambolena sy ny angovo i Suède

Nandray ambasadaoro roa ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nivoitra tamin’izany ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny masoivoho no­raisin’ny filohan’ny Re­po­blika i Mette Sun­nergren, hisahana an’i Mada­ga­si­kara sy i Mozam­bika. Naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny haitao […]

INDRAY MIJERY

« Noho ny faharefoana ara-jeografika, misy foana ny traboina na dia tsy mahery aza ny rivodoza », hoy ny avy ao amin’ny BNGRC. Nisy ny olona tsy maintsy nafindra toerana: tokantrano miisa 123, ahitana olona 454. Trano 119 tena dibo-drano tanteraka. Ny tao Toliara I sy Fenoarivo Atsinanana no nahitana ireo traboina […]

Fanatsarana an’Antananarivo : Santatry ny fiovana ny eny amin’ny boriborintany

Mitety ireo mpiara-miasa amin’ireo boriborintany 6 ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala. Mijery ny fanatsarana tokony hatao sy manome toromarika ireo mpiara-miasa ny tenany amin’izany. Nam­ba­rany fa miainga eny amin’ny boriborintany izay akaiky ny vahoaka ny fiovana. Tokony ho hita taratra izany na amin’ny fahaizana mandray olona na ny firindran’ny asa […]

Kaominina Ambato, Ambohidratrimo: Hampandrosoina ny tanàna sy ny mponina

Nandray ny fitantanana ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrika Ambohidratrimo, ny ben’ny Tanàna vaovao, Rakotondravao Sarobidy, avy amin’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar). Tontosa ny alatsinainy 03 febroary 2025 lasa teo ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna teo aloha. “21 taona ny kaominina Ambato, distrika Ambohidratrimo, […]