Mois : février 2025

Faly Rafieferana: “Ilaina apetraka ny fanabeazana miabo

Hitondra famelabelarana momba ny fanabeazana miabo, fototry ny fandrosoana ny mpampianatra, i Faly Rafieferana. Nambarany fa ilaina ny fanabeazana miabo ho an’ny maha olona. Lohahevitra hoentiny amin’izany ny “Fanabeazana miabo fototry ny fandrosoana”. Nambarany fa mirodana ny trano rehefa ratsy fototra. Notanisainy ho anisan’ny mahatonga izany ho miiba fa tsy […]

Fanjavonan’ny ben’ny Tanàna: Voatendry ho PDS an’Antsiranana i Tiana Edmond

Tsy an-kiandriandry. No­tendrena ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ao amin’ny kaominina An­tsiranana I i Tiana Edmond. Nirosoana, omaly, avy hatrany ny famindram-pitantanana na­n­draisan’ny mpitantana vaovao ny tanàna. Voalaza ho anton’izany fanapahan-kevitra izany ny fanjavonan’ny ben’ny Tanàna vao voafidy fanindroany, i Djavojozara Jean Luc Desiré. Tsy fantatra mazava rahateo ny tohin’ny […]

Filankevitry ny tanànan’i Toamasina: Mbola voafidy ho filoha Ilatsaka Ibrahim

Nivory voalohany, araka ny fampiantsoan’ny Prefe­ktioran’i Toamasina ny 3 fe­broary teo, ny filankevitry ny tanàna. Mbola voafidy fanindroany ho filoha Ilatsaka Ibrahim, avy amin’ny lisitry ny Irmar raha efa nitantana izany teo aloha. Nahazo ny isam-bato 10 ny tenany raha sivy kosa ny vaton’ny mpanolotsaina MTS, i Belahy Paul Henri. […]

Drafitra fampandrosoana eny ifotony: Nomena tari-dalana ireo ben’ ny Tanàna

Hohatsaraina ny fampiharana ny rafitra ifotony ho an’ny fikaonandoha sy ny drafitra fampandrosoana ny eny ifotony. Nanome ny tari-dalana momba izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nanatanteraka atrikasa fampahafantarana ny tari-dalana ho an’ireo ben’ny Tanàna vaovao sy ireo mpiara-miombon’antoka ny eo anivon’ny MFFT, ny […]

Anjaramanantsoa Laza : “Mampalaina vahoaka ny fahasahiranana”

“Ny fahasahiranan’ny va­hoaka tsy ahazoany mieritreritra zavatra hafa heverina fa tsy ahitany tombontsoa no anisan’ny mampalaina vahoaka amin’ny Rale”, hoy ny olom-pirenena tsotra, anisan’ny hoe maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fa­nam­binana, ny amin’izay mety tsy mampahavitrika amin’ny Rale. Diso tafalentika lalina ao an-tsain’ny vahoaka koa ny fanaovana politika amin’ny […]