Efa maro ny mpivady misafidy ny hanao fanabeazana aizana sy tonga manatona toeram-pitsaboana amin’izao fotoana izao. Antony mandrisika azy ireo hanao izany ny fialana amin’ny fiterahana misesy eo anivon’ny tokantrano. Maro ny fomba azon’ny mpivady atao amin’ny tontolon’ny fanabeazana aizana. Misy ny fihinanana fanafody sy fanaovana tsindrona eny anivon’ny tobim-pahasalamana. […]
Mois : février 2025
VAOVAO TAMBATRA
Tsy tapaka fa misokatra ny fifamoivoizana amin’ny RN 2, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, na teo aza ny fandalovan’ny rivodoza Faida. Mitohy, toraka izany koa, ny any amin’ny RN6, avy eto Antananarivo mankany Antsiranana. Hatreto, misy fifindrana fiara fitaterana eo amin’ny tetezana Efasy sy Mahavavy. Fantarina ireo kaominina hotohanana amin’ny sehatry […]
Smmec-Madauto : Tolotra hiatrehana ny tsy fahampian’ny herinaratra
Fanampiana ny mpanjifa! Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny orinasa, sampandraharaha ara-bola madinika, Smmec sy ny Madauto. Tanjona ny hanomezana tolotra sahaza arakaraka ny fahefa-mividin’ny tsirairay manerana ny Nosy. Nohamoraina ny fampindramam-bola ahafahana mandoa tsikelikely ny vidin’entana mifanandrify amin’ny filan’ny mpanjifa isan-tsokajiny. Natao ho an’ny rehetra ny tolotra, olon-tsotra, mpandraharaha na orinasa madinika […]
Fandraharahana : Tohana 12,5 tapitrisa dolara ho an’ny vehivavy
Mitentina 12,5 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola omen’ny Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (Bad) sy ny Axian Telecom ho an’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara, Tanzanie ary Sénégal. Ny 10 tapitrisa dolara natao hanohanana ireo vehivavy malagasy mpandraharaha miisa 22 000 izay hampiasana ny Mvola. Natao ihany koa hanamorana ny fahazoan’ireo […]
Antontanisa sy antontan-kevitra : Misokatra ho an’ny rehetra ny « PortES »
Ilaina ny fanangonana ny antontanisa sy ny antontan-kevitra mahakasika ny lafiny toekarena sy sosialy. Manamora ny fanapahan-kevitra horaisina ny fananana azy. Mivoatra ny sehatry ny antontam-baovao. Misy ankehitriny ny tahirim-baovao manangona ny antontan-kevitra sy ny antontanisa efa nisy hatramin’izay amin’ny lafiny toekarena sy sosialy eto amintsika. Hanampy ny tsirairay amin’ny […]




