Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly maraina, tao amin’ny trano fivorian’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), ny fivorian’ireo komity teknika mpanomana ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Fankalazana ny faha-78 taona ny hetsi-panafahana ny amin’ity taona 2025 ity. Nanokatra ny fivoriana tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny amiraly Assany […]
Mois : février 2025
SOMBIM-BAOVAO
Voafidy ho Judokas mendrika indrindra maneran-tany, taona 2024, ilay teratany japoney, i Chirsta Deguchi, eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg, vehivavy. Nambara tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny famaranana ny fifaninanana «Grand Slam de Paris», ny faran’ny herinandro lasa teo, izany. Hankalazaina ny 6 febroary izao ny Andro maneran-tany ho […]
Rasoanaivo R. Laura : “Tsy azoko ny naharesy ahy tamin’ny Grand Slam”
Nalahelo tamin’ny vokatra azony nandritra ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, Rasoanaivo Razafy Laura. “Resy noho ny fitsipika vaovaon’ny fitsarana aho ary tsy mbola azoko hatramin’izao ny antony naharesy ahy”. Io no voalohan-teniny vao vita ny ady natrehiny nanoloana ilay mpifanandrina taminy ary tena […]
Ankoay : Hoavy ireo mpilaravinahitra
Miditra amin’ny fampivondronana mihidy eny amin’ny Cnaps Vontovorona, tamin’ity herinandro ity, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana ho amin’ny “Afrobasket 2025”. Efa eny an-toerana avokoa ireo mpilalao eto an-toerana. Ny 11 febroary izao kosa no andrasana ny fahatongavan’ireo mpilalao mpilaravinahitra 5 mirahalahy hanatanteraka ny fampivondronana miaraka […]
Badminton – Afrique 2025 : Misy mpilalao avy any Frantsa hanatevina ny ekipa malagasy
Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja badminton, hatao any Cameroun, i Madagasikara. Mpilalao 6 mianadahy no handeha hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany ka misy mpilaravinahitra any Frantsa iray handrafitra ny ekipa nasionaly. Raha tomombana avokoa ny fikarakarana rehetra, anisan’ireo firenena hanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]




