Mois : février 2025

INDRAY MIJERY

Laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao ny fikarakarana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Nihaona tao amin’ny Digital Center Antaninarenina, omaly, ireo mpamolavola mba hamaritana vahaolana maharitra amin’ny fitantanana izany sy nanaovana tombana ny dingana vita ary ny hanatsarana amin’ny rindrambaiko “Edutic” amin’ny ankapobeny. Ralihivao Tsitohaina Arthur, anisan’ny voafantina handray anjara amin’ny International Visitor Leader­ship […]

METFP : Zana-kazo 2 000 novolena

Nifarimbona tamin’ny fambolen-kazo tao Beronono, kaominina Imerintsiatosika, faritra Itasy ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa niaraka tamin’ny minisitera delege misahana ny zandarimaria (MDG), ny fa­ran’ny herinandro teo. « Tanjon’ny fanjakana ny handrakotra ala maitso an’i Ma­dagasikara. Fandraisana andraikitra amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ady iraisan’ny rehetra no […]

Fanadinana momba ny zon’olombelona : Mitaky ezaka ny mahakasika ny demokrasia

Maro ny asa tanterahin’ny ambaratonga rehetra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona eto Madagasikara. Tsara toerana i Madagasikara saingy mila ezaka ny momba ny demokrasia. Navoakan’ny minisiteran’ ny Fitsarana omaly ny tatitry ny fanadinana ara-potoana ho an’ireo firenena rehetra momba ny zon’olombelona na EPU izay natao tany Geneve. Natao ny tombana amin’ireo […]

Raindahiny amin’ny fisolokiana : Tratra i Delary sy i Odilon, mpisandoka ho zandary

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava, omaly, i Jacques Delary sy Ranaivo Arison Odilon, mpisandoka ho zandary. Nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela tao Toamasina izy roa lahy ireto. Heloka hanenjehana azy ireo ny fisolokiana sy fisandohana ho manamboninahitra zandary ary fampihorohoroana ­olo­na amin’ny alalan’ny antso […]