Nidina ifotony teny amin’ny Biraon’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany “Cirdoma” eny Avaradrano, ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), omaly. Nihaona sy nifampidinika tamin’ireo lehibe sy tomponandraikitra isan-tokony eo anivon’ny Cirdoma izy ireo ka nitarika izany ny Tale jeneralin’ny Sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany. Niatrika […]
Mois : février 2025
Rivo-pahasoavana
Iza no tsy faly vao milatsaka ny orana ankehitriny? Velombelona na ny an-drenivohitra na ny any ambanivolo. Tsy toy ny taloha nampiferinaina fa zara aza misy milatsaka. Tena fanomezana sy fahasoavana mihoapampana mihitsy izany. Tsy misy mivaky loha izay lakandrano tsentsina na fako mitsikafona any. Tena hoe zara aza […]
Hentitra ny Prefektiora an’Antananarivo : “Tsy azo ekena ny fivoriana fanakorontanana”
Mbola nanamafy indray ny eo anivon’ny Prefektiora an’Antananarivo: voarara ny fivorivoriana resaka politika hikotrehana fanonganam-panjakana. Mivonona amin’ny mety fikotrehana hetsika politika ho any amin’ny fanonganam-panjakana ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Nandray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’izany ny eo anivon’ny Prefektiora. “Tsy azo atao ny fivoriana ahina hiteraka korontana, indrindra fa […]
TSELATRA
Afaka madiodio ilay nanolana sy namono zaza 11 taona tany Fianarantsoa, taorian’ny fitsarana azy tany an-toerana, omaly. Torana tampoka ny renin’ilay zaza rehefa nahare izany. Tezitra mafy koa ny fokonolona nanoloana izany, ka saika hanao fitsaram-bahoaka ireo olona nahavanon-doza. Niditra an-tsehatra namaha ny hetsika ny avy eo anivon’ny zandary any […]
Hetsika sendikaly : Navotsotry ny zandary ireo mpampianatra roa
Navotsotry ny zandary, omaly, ireo mpampianatra roa, voasambotra nandritra ny hetsika fitakiana nataon’ny sendikà eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny alatsinainy lasa teo. Tonga teny amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava, eny Fiadanana, nanontany ny antony nisamborana ireo mpikambana roa lahy ireo sendikà, omaly. Fotoana nahafahana nanao ny hetsika firaisankina sendikaly, mba […]




