Roa lahy namaky orinasa teny Ivandry nalefa eny Antanimora, omaly. Nanaovan’izy ireo latsak’alina, lasany ny tablette niampy camera, hatramin’ny akora fanamboarana trano, toy “carreaux”. Niroso tamin’ny fikarohana ny polisy ka tratra ny roa lahy tompon’antoka. Nahitana ny entana halatra rahateo tany amin’ny trano fonenan’izy ireo. Jiolahy nikasa hanendaka sady handroba […]
Mois : février 2025
Namira antsy raim-pianakaviana : Jiolahy roa voasambotra, karohina ny namany
Tra-tehaky ny zandarimaria teny Ambohimangakely, omaly, ny jiolahy tompon’antoka tamin’ny famirana antsy raim-pianakaviana iray. Naratra mafy, tataky ny zava-maranitra, ny tarehin’io lehilahy lasibatra io rehefa izy hamonjy fodiana niaraka tamin’ny vady aman-janany teny Mahazo, ny alin’ny 30 janoary, tamin’ny 11 ora alina. Nametraka fitoriana izy taorian’ny fitsaboana. Nifanindra an-dalana tamin’izany, […]
Antehiroka : Lehilahy hita faty nivoa-dra ny orony
Lehilahy 37 taona namoy ny ainy tao Andramiarana, fokontany Morondava, kaominina Antehiroka, ny 1 febroary teo, tamin’ny 12 ora sy fahefany. Mpandalo no nahatsikaritra olona nihohoka tamin’ny tanimbary mifanila amin’ny lakandranon’ Andriantany. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany io nanatri-maso io. Navoakan’ny fokonolona tao anatin’ny toerana voalaza ilay lehilahy. Nanao […]
Fahafatesana mampiahiahy : Mpifankatia niara-hita faty
Nilaza fa handeha hivavaka ireto mpifankatia tamin’ny alahady. Hatairana ny an’ny fianakavian’izy ireo, omaly, rehefa nandre fa hita natsingevan’ny rano izy roa. Olona roa, vehivavy 16 taona sy lehilahy 25 taona, samy maty an-drano tany Avaradrova, Morondava, faritr’i Menabe, omaly. Hita faty tamin’ny 8 ora sy 30mn maraina tany ho […]




