Mois : février 2025

“Festival Temps Fort Théatre 2025” : Asaina ireo mpisehatra handefa ny tetikasany

Mitondra aina vao ho an’ny teatra ny « Temps Fort Théatre ». Hiditra amin’ny andiany faharoa izany amin’ity, ka andrasana ireo tetikasa mahaliana rehetra, mba hahatomombana ny hetsika. Hotontosaina ny volana marsa izao ny andiany faharoa amin’ny « Fes­tival Temps Fort Théatre », na ny TFT. Ho fanomanana izany, mba […]

FANTINA sy FINTINA

Niantso ny miaramila tsy ho voasarika amin’ ny fihantsiana politika fa hifantoka hatrany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny minisitry ny Foloalindahy. Nambarany fa natao hametraka fandriampahalemana izy ireo, tamin’ ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra lefitra tao amin’ny Ensoa Antsirabe, ny 1 febroary teo. Hamoaka ny valin’ny fanombanana […]

Ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala: «Aoka halavirintsika ny fankahalana…»

Niatrika ny fotoam-pivavahana niaraka tamin’ireo kristianina etsy amin’ny FLM 67 ha ny ben’ny Tanàna, Ra­manantsoa Harilala, ny alahady teo. Nanao antso avo sy nanentana ny rehetra ny tenany, tamin’izany, ho amin’ny fifanomezan-tanana sy ny fi­fanampian’ny samy mpino. Nambarany fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ ny rehetra ny varavaran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra […]

Mamboly ihany!

  Anisan’ny departemanta iray ifantohan’ny Politikan’ny fanjakana malagasy, ankehitriny, ny fizakan-tena ara-tsakafo. Mitarika ny ezaka amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Milofo amin’ny voly vary sy ny fampitomboana ny vokatra ny mpitondra sy ny tantsaha. Mampivelatra sy manome vahana ny voly vary safiotra izy ireo. Misy ny fizarana masomboly mahakasika […]

Filoha Rajoelina Andry: «Hanampy anareo ben’ny Tanàna aho»

Hanampy ireo ben’ny Tanàna ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana miantefa any amin’ny vahoaka sy ilain’ny vahoaka ao anatin’ny fe-potoam-piasan’izy ireo. “Natao ny fifidianana, ary matoa ianareo lany dia ankasitrahan’ny vahoaka, mamim-bahoaka, voafidim-bahoaka, indrindra miandrandra fampandrosoana avy aminareo ny vahoaka izay iantsorohanareo ny adidy masina eo anivon’ny kaominina misy […]