Miha manatona tsikelikely ny morontsirak’i Madagasikara ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Miha mafy koa ny talio, tombanana ho betsaka ny rotsakorana ho an’ny faritra avaratra andrefana sy afovoany atsinanana (50 hatramin’ny 100mm ny rotsakorana), andrasana ao anatin’ny 24 ora. Hanomboka ny alatsinainy izao izany ho an’ny faritra […]
Mois : février 2025
IST Antananarivo: Manam-pahaizana 1 388 nivoaka tamin’ny fomba ofisialy
Mpianatra 1 388 tao amin’ny ivontoerana ambony momba ny teknolojia (IST) eto Antananarivo no navoaka tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity herinandro ity. Mpianatra 671 avy amin’ny andiany faha-29, nisalotra ny anarana “Maharitra”. Mpianatra 717 avy amin’ny andiany faha-30, nitondra ny anarana «Kintana». Nahazo ny diplaoma “Techniciens Supérieurs”, “Techniciens Supérieurs Spécialisés de […]
Fahasalamana : Ireo fiarovana amin’ny aretina pesta
Mbola ao anatin’ny vanim-potoana mampirongatra ny aretina pesta isika eto Madagasikara ka ilaina hatrany ny fahamailoana. Nampahafantatra ireo fihetsika tsotra kanefa mila finiavana iadiana amin’ny voalavo mitondra ireo parasy mamindra ny aretina pesta ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ilaina ny mamboly zavamaniry mandroaka voalavo, mampiasa dabam-pako, miady amin’ny doro tanety hisorohana ny […]
Ben’ny Tanànan’ Ampitatafika: « Ezaka atao ny fampiasana ny angovo miaro ny tontolo iainana »
Tontosa omaly, tetsy anivon’ny kaominina Ampitatafika ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Ben’ny tanàna voafidy, Ramparaoelina Rado sy ny ben’ ny Tanàna mpisolo toerana, Randrianarivony Jocelyn Marinot. Natolotra nandritra izany koa ireo mpanolotsaina fito mianadahy, miara-miasa aminy. «Fanatsarana amin’izao fotoam-pitondrana fahefatra izao ny fanamafisam-piaraha-miasa avy any amin’ny Norvège», hoy ny ben’ny Tanàna, […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny fanofanana ireo mpisehatra amin’ny asa fitateram-bahoaka ho an’ny ATT ao Soarano. Misy ny fampahatsiahivana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, fanentanana momba ny familiana fiara ieren-doza, ady amin’ny kolikoly eny amin’ny arabe, aro loza amin’ny fifamoivoizana, fanajana bokin’andraikitra. Miisa 129 ireo miasa amin’ny zotra Ambohimangakely, Vakinankaratra, Bongolava ary zotra […]




