Mois : février 2025

Cité Universitaire: Hazavaina ny tanàna eny amin’ny R+1 Ankatso II

Napetraka eny amin’ny cité R+1 Ankatso II ny famatsiana herinaratra 160 KVA. Mahazaka tanteraka ny filan’ireo mpianatra mipetraka eny an-toerana io, raha ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Nanatanteraka ny asa ny ekipa teknikan’ny Jirama. Andrin-jiro miisa 11 no hapetaka eny an-toerana hitondra ny taribin-jiro hanazava ny […]

Any Atsimo: Mitsoa-ponenana noho ny mosary sy ny haintany ny mponina

Mivaivay ny haintany mitarika amin’ny tsy fahampian-tsakafo any atsimon’ny Nosy. Lasa marefo ny mponina ka voatery milaravinahitra amin’ny toeran-kafa. Ireo olona any Atsimo Andrefana lasa mifindra monina any Atsimo sy any Menabe mamboly sy manao fihariana. Mila vahaolana haingana mba tsy ho vesatry ny faritra ivahinianana indray. Voaporofon’ny fanadihadiana fandalinana […]

TARATRY ny KANTO

Mbola be mpanjifa ny boky Malagasy. Porofon’ iza­ny, anisan’ireo nahalafosana be indrindra tamin’ny taona 2024 ny Ny Valamparian’i Bebe (Hobiana Andriani­merina), Amboarana angano (arikaomsa Randria) ary ny Fahalalam-pomba, fahaiza-miaina (Rakotoanosy Marie Michèle), raha araka ny fanisana nataon’ny Edi­tions Jeunes Malgaches. Mbola misy amidy avokoa ireto boky ireto, miaraka amin’ny endriny […]

Hira amin’ny teny frantsay: Andiany faha-3 ny « En chanson »

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny « Herinandron’ny Frankofonia ». Hanatanteraka ilay fifaninanana fahaiza-mihira amin’ny fiteny frantsay « En chanson », andiany fahatelo, ny Alliance française Antananarivo, etsy Andavamamba. Hatramin’ny 7 febroary izao, ny fisoratana anarana ao amin’ny departemantan’ny kolontsaina eny an-toerana. Ny 15 febroary kosa no hanatontosana ny fihainoana ireo mpifaninana. Anisan’ny hitsarana ny […]