Mois : février 2025

TSELATRA

Efa-dahy vao nivoaka ny fonja tratra nanendaka tao Mandritsara, ny alarobia 29 janoary teo. Tsy vaovao tamin’ilay voaroba avokoa ny endrik’ireo olon-dratsy ka noraisim-potsiny tany amin’ny trano fonenany izy ireo. Nivoaka ny fonja vao roa herinandro lasa ireo olona voasambotra ireto. Fito lahy mpanendaka sady mpanao hala-boty naiditra am-ponja vonjimaika […]

Ambohidahy Ankadindramamy : Fanafihan-jiolahy ravan’ny tompon-trano

Telo lahy nikasa hanafika tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Am­bohidahy Ankadin­dramamy, Antananarivo V, ny alin’ny 30 janoary teo, tamin’ny 8 ora alina. Nikasa hiditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray, ren’ny tompon-trano ny fisian’ireo olon-dratsy. Nitsoka kiririoka avy hatrany ny lasibatra vantany nahatazana ireo mpandroba. Nikoropaka, tsy nahavanona ny […]

Ady tany ao Nosy Be : Mpitsara sy mpisolovava voasaringotra

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny teratany vahiny voalaza ho tompon’ny tany misy fotodrafitrasa maromaro ao Nosy Be Hell-ville sy ny tambajotra voalaza ho mpisoloky nikasa hangalatra tany. Miara-miasa amin’ny mpitsara iray ao an-toerana sy naka mpisolovava tao ihany, namorona taratasy nahafahany mandray ny fitantanana ny orinasa rehetra anatin’io tany voalaza […]

Mpanakalo vola vahiny : Lehilahy iray notifirin’ny jiolahy teo Analakely

Maty notifirin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana 59 taona, mpanakalo sy mpikirakira vola vahiny, omaly. Tompon’antoka ny jiolahy miisa fito tsy nisaron-tava. Jiolahy fito tsy nisaron-tava ireo nanafika tao amin’ny tsenan’ity raim-pianakaviana ity tokony ho tamin’ny 9 ora sy 30 mn maraina, tetsy amin’ny pavillon Analakely. Niditra tao an-tsena ireo jiolahy efatra […]