Mois : février 2025

Kung fu Wushu : Mbola nomen’ny ligy fitokisana ny Maître Gao

Nanatanteraka fifidiana­nana ny ho filohan’ny federasiona ny eo anivon’ny taranja kung fu Wushu, ny faran’ny herinandro teo, tetsy 67Ha. Mbola nomen’ny ligy fitokisana Ramaherison José na ny Maître Gao, ka nolanian’ny ligy 7 hitantana ny federasiona mandritra ny 4 taona mana­raka indray. Ligim-paritra 7 (Analamanga, Vakinanka­ratra, Itasy, Atsimo andrefana, Alaotra […]

Tenisy Afrika – U14: Eo ho eo ny vokatra ho an’ny Akomba

Tanterahina any Kenya, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny sokajy U14, lahy sy vavy. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Eo ho eo ihany ny vokatra ho an’ny mpilalaon’ny Akomba de Madagascar. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, vehivavy, resy teo […]

“Afrobasket 2025” : Top 5 amin’ny mpilalao mendrika i M’Madi sy i Sitraka

Nisongadina ny Malagasy mpilalao, nandritra ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket” notan­ter­ahina ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra Top 5 i Mathias M’Madi sy Raharimanantoanina Sitraka. Mbola maresaka sy eny am-bavan’ny maro hatramin’izao ny nahazoan’i Madagasikara ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”, ny volana aogositra izao, any Angola. Anisan’ny fi­renena nisongadina […]

VAOVAO TAMBATRA

Tratra ny kamiao iray mpanangona hazoala tsy ara-dalàna miisa 421, tany Ampitambe, kaominina Ambohibary, distrika Moramanga. Fitsirihana nataon’ny Sampandraharaha Ciref/CEF Moramanga no nahatrarana azy. Naiditra vonjimaika am-ponja ny tompon’ny hazo sy ny mpamily ilay kamiao ary nogiazana ny hazo sy ilay fiarabe. Mitohy ny fanarenana ny lalana tena ratsy amin’ny […]

Base Toliara : Zana-kazo 20 000 nambolena any Ranobe

Nanatanteraka ny fambolen-kazony ny orinasa Base Toliara ny 21 febroary teo. Natao tany Ranobe, kaominina Ankilimalinike, distrika To­liara II, izany, toerana hametrahana ny foibem-pitrandrahan’ny orinasa. Mitotaly 20 000 ny zana-kazo ka natsatoka tany Belalanda ny 2 000, tany anaty faritra Aro­vana (AP) Ranobe ny 18 000, nahitana karaza-kazo 21 amina velaran-tany 20 ha. […]