Mois : février 2025

Toe-piainan’ny mponina : Hanomboka ny fanadihadiana

Hotanterahina amin’ity taona ity ny fanadihadiana maharitra eo anivon’ny tokantrano (EPM) andiany faha-11. Fanadihadiana ahafahana mandrefy ny fivoaran’ny toe-piainan’ny Malagasy manerana ny Nosy eo amin’ny sehatra samihafa izy ity. Ao anatin’izay ny firafitry ny mponina, ny fahantrana, ny fananana asa, ny fahasalamana, ny fampianarana, ny fisitrahana angovo, ny fivelomana, sns. […]

BNI Madagascar-IFC : Manome 30 tapitrisa dolara hanohanana ny fandraharahana

Vonona hamatsy vola hanohanana ireo orinasa tena madinika, madinika sy salantsalany (TPME) ary ireo vehivavy mpandraharaha ny BNI Madagascar sy ny Société financière internationale (IFC). Mitentina hatrany amin’ny 30 tapitrisa dolara ny tohana omen’ny BNI Madagascar sy ny So­ciété financière internationale (IFC) hanohanana ireo orinasa tena madinika, madinika ary salantsalany […]

TARATRY ny KANTO

Antsoina hatrany ireo manana tetikasa momba ny zavakanto sy ny kolontsaina, handefa izany amin’ny Commission de l’océan Indien. Misokatra ho an’ireo manam-pikasana hikarakara hetsika ara-javakanto toy ny fifaninanana talenta, foara, festival, fiofanana, atrikasa sns izany. Hovatsian’ny COI ireo tetikasa mahaliana, ana­tin’ny fampivoarana ny indostrian’ny kolontsaina sy ny famoronana. Manana hatramin’ny […]

« Art plastique » : Hampiranty ny « Art’ Raoty » i Zongo Bilaky

« Art’ Raoty », fampirantiana hanasongadinan’i Zongo Bi­laky ny fahaizany mifehy ireo heverina ho akora na zavatra tsy ilaina na tsy ampiasaina intsony eo amin’ny andavanan­drom-piainana. Ranty hotanterahina ao amin’ny La Teintu­rerie Ampasanimalo, ny 6 marsa ka hatramin’ny 4 avrily izao. Ankoatra ny maha zavakanto ny « Art’ Raoty ». Ani­san’ny fandraisana anjara lehibe […]