Mois : février 2025

TSELATRA

Vehivavy 27 taona, hita faty tao an-trano fone­nany, omaly, tany Toamasina. Monina ao Anjoma Atsi­nanana, Toamasina izy. Zanaka mpitsabo ary miasa amin’ ny hotely lehibe iray any an-toerana. Fofona maimbo no nanaitra ny mpiara-monina. Nahitana ra niparitaka tao an-tranony, rehefa novakiana ny varavarana. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. […]

Fanaovana akanjona miaramila: 14 ireo olona nosamborina

Taorian’ny fanentanana nataon’ny mpitandro filaminana, mahakasika ny fandrarana ny fanaovan’ny sivily ny fitafiana sy akanjo mitovy amin’ny fanamiana miaramila, nanomboka nisambotra ireo olona minia tsy manara-dalàna ny eo anivon’ny zandary sy polisim-pirenena ao Fianarantsoa, omaly. Ho an’ny tao Anjoma, Fianarantsoa, manodidina ny 14 ireo olon-tsotra nosamborina, izay nanao fitafiana mitovy […]

Vono olona feno habibiana : Tezitra ny koreanina!

Nodorana omaly, teny Fasanikarana ny vatana mangatsiakan’ireo koreanina roa lahy, nisy namono tamin’ny zoma alina. Naneho ny hatezerany ny mpiaray tanindrazana amin’izy ireo. Feno fahatezerana ny teratany koreanina amin ’izao fotoana izao, ma­noloana ny famonoana ireo misionera koreanina mianaka, tany Morarano Gara, Mora­manga, ny zoma alina teo. Raha ny fanambarana […]