Mois : février 2025

Baolina kitra U15 – SOS Sokake Cup: Hanafika eto Madagasikara i Nouvelle-Calédonie

Hotanterahina etsy amin’ ny Kianjaben’i Maha­masina, ny 4 ka hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao, ny « SOS Sokake Cup » na « Eco-tournoi international », taranja baolina kitra. Fifaninanana ho an’olona 11 ary natokana ho an’ny sokajy U15, lahy sy vavy. Io no nambaran-dRazafindra­koto Léon, talen’ny alan-javaboahary arovana any Thonye, Nouvelle-Calédonie, sady mpi­karakara ny […]

Fiatrehana ny tondradrano : Tokony hirosoana ny fanadiovana an’i Sisaony

Anisan’ny ahitana olona traboina maro ny ao amin’ny faritra Antananarivo Atsimon­drano, rehefa vanim-potoanan’ny orana tahaka izao. Lasibatra amin’izany ny etsy Ampitatafika sy Anosi­zato. Antony mahatonga izany ny fiakaran’ny rano, noho ny tsy fi­sian’ny fivoahany, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ny Tanànan’ Ampitatafika, Rado Ramparaoelina. Nodiovina farany ny renirano Sisaony tamin’ny […]

Futsal – Ligin’Analamanga : Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana

Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa na Maire Tôta, filohan’ny ligin’Analamanga, ny alahady lasa teo, teny Iavoloha, fa hanomboka ny 28 febroary – 2 marsa ho avy izao, ny fifaninanana futsal, sokajy vehivavy sy lehilahy, eto an-drenivohitra. Araka ny fanazavana nataony, hisokatra ho an’ny rehetra ny fifanintsanana, ka eny amin’ny biraon’ny ligin’Ana­la­manga no hanaovana […]

Hanamaitso ny tontolo iainana : Namboly zana-kazo 5 000 fototra mahery ny Fivoi

Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatonapoaka, distrikan’Arivonimamo, ny sa­botsy teo, ny antoko politika Fivoi-Fivoarana. Nitarika izany ny depiote Rajerison Antoine, sady filoha nasionaly mpanorina ny antoko, niaraka tamin’ireo solombavahoaka sy ben’ny Tanàna voafidy amin’ny anaran’ny antoko, notronin’ireo tantsaha maro. Novolena tamin’ny ve­laran-tany 10 ha, nandritra izany, ny zana-kazo mano­didina ny 5 000 […]

Alaotra Mangoro: Zokiolona 700 nahazo fanampiana

Nitondra tantsoroka, nahitana vary sy menaka ary lamba firakotra ho an’ireo zokiolona miisa 700, ny minisitry ny Mponi­na sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, sy ireo mpiara-mi­asa aminy nandritra ny fandalovany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Zokiolona miisa 300 tao Ambatondrazaka, 200 tao Amparafaravola ary 200 tao Andilamena. Niara-nisalahy tamin’ny fitsinjarana […]