Mois : février 2025

VAOVAO TAMBATRA

Vita ny sabotsy alina teo ny asa maika fanarenan-dalana eo Soarano, ampitan’ny Building Ramaroson. Lavaka be no teo amin’ity toerana ity, niforona vokatry ny ranonorana nisesy sy noho ny fantson-drano tsentsina, ka nanimba ny tany ambanin’ny arabe. Tsy maintsy hoferana anefa ny vesatry ny fiara afaka mandalo eo, ho fikajiana […]

Fikambanana Justice et Paix: Mijanona eo akaikin’ny olona voailika

Natao sonia, omaly, ny firaiketana « mémorandum » eo amin’ny Fikambanana ka­to­lika, Justice et Paix, sy ny orinasa Base Toliara. Notsi­pihin’ny filohan’ny Vaomiera Justice et Paix, sady arsevekan’ Antsiranana, ny monseigneur Ramaroson Benjamin, fa mitoetra eo anivon’ny besinimaro, indrindra ny sokajin’olona voailikilika sy very zo ny fikambanana Justice et Paix. Satria ao […]

Vary safiotra: Ho lasa foibe famokarana masomboly ny any Menabe

Kendrena ho 5 000 t/taona ny masomboly vary safiotra hovokarina eto amintsika. Anisan’ny hamokatra izany ny any Menabe. Aparitaka tsikelikely ny faritra hametrahana foi­be famokarana vary sa­fiotra eto Madagasikara. Anisan’izany ny any Menabe, ka hanombohana ny fambolena voalohany ny any amin’ny fokontany Betsipotika, kaominina Analaiva, distrika Moron­dava. Efa any an-toerana ireo […]

Fampiasam-bola vahiny (IDE): Tafakatra 418 tapitrisa dolara ny eto Madagasikara

Mihatsara ny sehatry ny fampiasam-bola vahiny (IDE) eto Madagasikara na mbola maro aza ireo ezaka tokony hatao. Mam­pit­ombo ny fiforonana asa sy mampandroso ny toekarena ary mampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana ny fisarihana mpampiasa vola vahiny. Firenena mbola anisan’ny mahasarika ireo mpampiasa vola i Madagasikara. Maro ireo sehatra mbola malalaka sy […]

TARATRY ny KANTO

Tsy ho ela dia afaka miverina mamaky boky ao amin’ny IKM Antsahavola indray ireo efa zatra izany. Nanolotra boky vaovao ho an’ity Ivokolo ity ny Librairie Il Etait Une Fois sy ny fikambanana Trait d’Union. Boky vaovao ho an’ny ankizy, ny tanora ary ny lehibe ireo. Misy ho an’ny mpianatra […]