Naneho hevitra momba ny vinan’asan’ny ben’ny Tanànan’Antanananarivo Renivohitra ny RTM, omaly. Hanohana izany izy ireo raha mitera-bokatsoa, araka ny nambarany. “Manohana ny vinan’asa izahay, raha ohatra mitera-bokatsoa ho an’ny tanàna sy ny mponin’Antananarivo”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra avy amin’ny antoko Refondation totale de […]
Mois : février 2025
INDRAY MIJERY
Hitohy hatrany ny fijerena ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza mahakasika ny fanaovana vaksiny. Ezaka iray lehibe natomboky ny filohan’ny Repoblika nanomboka ny taona 2019 ny fanovana ny vata fampangatsiahana fitehirizam-bakisiny handeha amin’ny herin’ny masoandro. Heverina ho tratra anatin’ity enim-bolana voalohany amin’ity taona ity ny tanjona ka handeha amin’ny herin’ny […]
Faritra andro ratsy: Manambana ny any Atsimo Andrefana
Misy faritra andro ratsy roa mivoatra miadana manodidina an’i Madagasikara. Ny iray mitoetra any atsinanan’ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy ary ny faharoa kosa ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Ity farany izay manambana ny tapany atsimo andrefan’ny Nosy, any amin’ny faran’ny herinandro. Mbola mitoetra eto amin’ny Nosy ny ampahan’ny Zone de convergence […]
Fiteny sinoa : Nisokatra ny foibem-panofanana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro lasa teo eny Tanjombato, ao amin’ny orinasa King Deer Cashmere, ny foibem-piofanana amin’ny fiteny sinoa sy ny fahaiza-manao. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny masoivohon’i Sina eto amintsika izany. Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana niaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny minisitry […]
Tolotrasa any ivelany : Mila mailo amin’ny endrika famarinana olombelona
Mahaliana tanora maro ny hiasa any ivelany. Tsy mora ny asa any ary mila mitandrina fatratra amin’ny mety ho fivadihan’ny tolotrasa ho fanararaotana na famarinana olombelona. Ihazakazahan’ny tanora, eny fa na ny olon-dehibe aza, ny fandehanana any ivelany hitady ravinahitra. Mikarama amin’ny vola vahiny no tena fanirian’ireo tanora, na ireo […]




