Mois : février 2025

Banky iraisam-pirenena – MFFT : Manohana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe

Mamita iraka eto amintsika ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe, tarihin’i Catalina Marulanda. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, izy ireo, omaly, tetsy Anosy. Hijery ny fampiharana ny tetikasa Produir, fampandrosoana ny tanàn-dehibe ireto delegasionina ireto. Eo koa ny tombana amin’ny […]

TSELATRA

Olona telo no efa voasambotra noho ny raharaha famonoana ny ben’ny Tanàna voafidy tany Mangata­boahangy, disitrikan’Ambatofinandrahana, Ranivoari­vony Narindraniaina, ny zoma 21 febroary 2025 teo , tamin’ny 7ora hariva. Efa atao fanadihadiana eo anivon’ny zandarimaria any Ambatofinandrahana izy ireo amin’izao fotoana izao. Mety ho vono niniana natao no nokendrena natao tamin’izy […]

Analankinina Hopitalibe : Tranona mpianatra voaroba

Nitrangana vaky trano indray tany amin’ny fokontany Analankinina Hopitalibe, parisela 12/21-22, zana-paritra fahefatra, ny sabotsy hifoha alahady teo. Vaky trano maromaro no niseho tao amin’io toerana io, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mponina any an-toerana. Amin’ny ankapobeny, tranona mpianatra ho mpitsabo mpanampy eny anivon’ny sekoly ambony avokoa ireo niharan’ny […]

Nianjeran’ny biriky: Zazalahikely roa taona maty

Vokatry ny rotsakorana nandritry ny alina, nianjera tao amin’ny lakozia iray tetsy Ambanidia Volosarika ny tamboho teo amboniny, omaly. Vokany, maty voatotan’ny biriky ilay zazalahikely roa taona sy tapany. Nitrangana fihotsahan’ny tamboho, nahafatesana zazalahikely roa taona sy tapany, tetsy Ambanidia Volosarika, omaly tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Nian­jera tamin’ny […]