Mois : février 2025

Volobe : Hisokatra tsy ho ela ny antso an-tetikasa

Dingana gaovana no vitan’ny tetikasa Volobe taorian’ny fampiharana ny drafitra ara-tsosialy sy tontolo iainana vitany. Noho izany, hisokatra tsy ho ela ny antso an-tetikasa. Hamokatra angovo hatrany amin’ny 750GWh isan-taona ny tohodranon’i Volobe izay manana tanjaka 120MW ka mahavita mandrakotra 25% ny filana herinaratra eto Madagasikara. Izany hoe, afaka mamokatra […]

Olan’ny famokarana angovo: Manao antso avo ny Banky iraisam-pirenena

Ahina mbola hitohy ny olan’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra haingana. Tsy ho tratra ny fisitrahana 80% angovo ny taona 2023, hoy ny Banky iraisam-pirenena. Mety mbola hitohy amin’ny taona ho avy ny olan’ny fahatapahan-jiro raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana. Mila ampitomboina ao anatin’ny fotoana […]

INDRAY MIJERY

Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, 15 ny olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana niseho ny 14 ka hatramin’ny 19 febroary lasa teo ary iray no naratra. 18 355 ny traboina avy amin’ny tokantrano 4 825. Mahatratra 60 214 ny olona nafindra toerana avy amin’ny tokantrano 1883 ary mipetraka amin’ny toeram-pandraisana 20. Misy trano […]

AC: Mitady ny zaza tsy nahavita vaksiny

Midina eny ifotony ny mpanentana ara-pahasalamana. Antony, mitady ireo zaza tsy mbola nahazo fatram-baksiny Penta 1 sy tsy nahavita ny andiam-baksiny hatramin’ny farany izy ireo. Miandraikitra secteur iray ny mpanentana iray ka mahavita mitety tokantrano 15 isan’andro, araka ny fanazavan’ny AC, i Gastelle, ao amin’ny fokontany Fiofio, distrikan’i Mahajanga I. […]