Tombanana mbola ho betsaka kokoa ny rotsakorana any amin’ny ilany atsimo atsinanana sy afovoany andrefan’i Madagasikara. 50 hatramin’ny 100 mm ny tahan’ny rotsakorana andrasana ao anatin’ny 24 ora. Foana kosa ny fampitandremana noho ny fahabetsahan’ny rotsakorana ho an’ny afovoan-tany. Mbola hitohy hatrany anefa ny orana amin’ny ankapobeny, hoy ny foibe […]
Mois : février 2025
Federasion’ny Taekwondo: Haverina indray ny fifidianana filoha
Mampalahelo ny zava-misy iainan’ny mpankafy ny Taekwondo WT malagasy. Araka ny loharanom-baovao iray, omaly, haverina indray ny fifidianana federaly rehetra eto Madagasikara. Atao ny 1 marsa ho avy izao ny an’ny seksiona Antananarivo Renivohitra. Hisy kaomisionina “ Comité Ad hoc” hatsangana, hitantana sy handrindra izany indray eto an-toerana. Raha ny […]
Taranja tolona : Hisy ny adina ho an’ny ekipa nasionaly
Nitohy ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha, ny fampivondronana ny ekipa nasionaly malagasy amin’ny taranja tolona. Notsiahivin’ireo teknisianina eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Tolona (FML), fa natao hanomanana ilay fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay hatao any Maroc, ny 29 avrily hatramin’ny 5 mey ho avy […]
DAKA AN-JORONY: Ny nofy no tonga fiainana
Mbola mitaintaina toy ny sahobakaka ambody riana ny mpitia baolina kitra malagasy ankehitriny. Miandry fatratra, ny fankatoavana ny kianjaben’ny Mahamasina na ho afa-panadinana indray sa hamerina kilasy ka hojerem-potsiny toy ny tany nahalavoana indray io fotodrafitrasa mirentirenty fatratra io. Tsy mbola very fanantenana ny maro satria ny nofy no tonga […]
Basikety: Tafita hiatrika ny « Afrobasket 2025 » ny Ankoay
Tratra ny tanjona ! Tafita hiatrika ny fifaninanana « Afrobasket 2025 » hatao any Angola amin’ny volana aogositra izao, ny ekipa malagasy, Ankoay lehilahy. Na dia teo aza ny faharesena nanoloana ny Repoblikan’ny Centrafrique, omaly. Ampy nangalan’ny ekipa malagasy Ankoay, ny tapakilan’ny « Afrobasket 2025 », ny fandresena azony, nandritra ny fifaninandrinana tamin’ny faraona an’i […]




