Fandanjana fiarabe : Tsy misy intsony ny fandeferana folo isan-jato

Miverina amin’ny asany indray ireo toby fandanjana fiarabe eny amin’ny lalam-pirenena faha-2, nanomboka ny herinandro lasa teo. Voakasik’izany ny eny Ambohimalaza (Antananarivo) sy ny any Antsarakofafa Toamasina.

Tafapetraka ary efa miasa ny fitaovana vaovao fandanjana (pèse essieux fixe), tamin’ny alalan’ny tetikasa PDDR, famatsiam-bola Banky iraisam-pirenena. Miasa andro sy alina, isan’andro, ireo toby ireo, tantanin’ny Antokondraharaha misahana ny lalana (Agence routière), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP).
Nilaza ny minisitra Ra­fidison Richard Théodore tany Antsarakofafa, ny 28 febroary teo, fa natao laharam-pahamehana ny famerenana amin’ny laoniny ireo toby roa ireo, satria lalam-pirenena be mpampiasa indrindra ny RN2. Tanjona ny hampihena ny fahasimban’ity lalana ity sady hitsinjovana ny hampaharitra ny lalam-pirenena ary hiarovana ireo mpampiasa azy.
Novaina ny lalàna sy ny fepetra mifandraika amin’ny fandanjana. Nofoanana ny fandeferana 10% mihoatra amin’ny fetran’ny lanjan’ny entana azon’ny kamiao entina. Mitentina 100 000 Ar isaky ny taonina ny lamandy aloa raha mihoatra ny fetra, izay tsy maintsy aloan’ny mpitatitra mitondra mihoatra ny fetra 44 taonina. Esorina ny entana tafahoatra, ka ireo mpitatitra ihany no miantoka ny saran’ny fampidinana sy ny fiambenana azy ireo.

Efa miasa ny any amin’ny RN9
Ankoatra izany, efa miasa ihany koa ny toby fandanjana fiarabe any Belalandy, lalam-pirenena faha-9. Eo am-panomanana ny hanokafana indray ny any Maevatanàna (RN4) sy Ambondromamy (RN6). Vinavinaina hafindra toerana ny any Ambatolampy (RN7) satria tsy manaraka ny fenitra ara-teknika.
Tafiditra ao anatin’ny toromariky ny filoha Rajoelina, nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 17 avrily 2024, ny fanamafisana ny fiarovana sy ny faharetan’ny lalam-pirenena, ireo fepetra rehetra ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: